FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Emeraoda”
  • Emeraoda

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Emeraoda
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Firavaka sy Vatosoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Berila
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jerosalema Vaovao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Torkoazy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Emeraoda”

EMERAODA

Vatosoa lafo vidy mamirapiratra sy mangarahara ny emeraoda, ary karazana berila. Vato vokatry ny fitambaran’ny silikatina aliminioma sy silikatina beriliôma ary krôma kely izy io. Io krôma io no mahatonga azy hiloko maitso. Somary mafy kokoa noho ny vatokaranana (quartz) izy io, ary matetika no misy amin’ny endriny boribory toy ny kanety na amin’ny endriny kristaly misy lafiny enina.

Fantatry ny Ejipsianina fahiny ny emeraoda. Tany Ejipta Ambony no nakan’izy ireo azy io. Azo inoana fa anisan’ireo zava-tsarobidy nomen’ny Ejipsianina izy io, taloha kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 12:35, 36) Tatỳ aoriana, dia ny emeraoda (heb.: bareket) no natao vato fahatelo teo amin’ny laharana fahefatra tamin’ireo vatosoa teo amin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’ny mpisoronabe. (Ek 28:2, 15, 17, 21; 39:10) Nilaza i Ezekiela tao amin’ilay hira fisaonana sady faminaniana nataony, fa rakotra “vatosoa isan-karazany” ny fitafian’ny mpanjakan’i Tyro, ka anisan’ireny ny emeraoda.​—Ezk 28:12, 13.

Nahazo fahitana ny apostoly Jaona ary nilaza fa hoatran’ny emeraoda ny avana ‘nanodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah’ any an-danitra. (Ap 4:1-3) Hitan’i Jaona koa “ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao”, ary voamariny fa “voaravaka vatosoa isan-karazany ny fototry ny mandan’ilay tanàna”, ka emeraoda (gr.: smaragdôs) ny vato fototra fahefatra.​—Ap 21:2, 10, 19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara