FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Kalne”
  • Kalne

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kalne
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kalno
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sinara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kane
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ereka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Kalne”

KALNE

1. Tanàna naorin’i Nimroda tany amin’ny tany Sinara. (Ge 10:10) Tany amin’ny faritra atsimon’i Mezopotamia izy io, saingy tsy tena fantatra ny toerana nisy azy. Efa hatry ny ela no nisy nilaza fa i Nippour, tanàna babylonianina fahiny tany amin’ny 85 km teo ho eo atsimoatsinanan’i Babylona, hono, izy io, araka ny lovantsofina ao amin’ny Talmoda sy ny loharanon-kevitra hafa. Mihevitra anefa ny manam-pahaizana sasany fa i Kolono izy io, satria izany taloha no anaran’ny tanàna iray nalaza tany akaikin’i Babylona. Misy kosa milaza fa i Horsagkalama, tanàna mpirahavavy amin’i Kisy, izy io. Mifanitsy amin’ny hoe Kalne mantsy, hono, ny hoe “kalama” amin’ilay hoe Horsagkalama. Nadikan’ny Baiboly sasany (RS, JP, NE) hoe “izay samy” anefa ilay Kalne, fa tsy nataony anaran-toerana. Lasa toy izao àry ilay andininy: “Babela sy Ereka ary Akada, izay samy tany amin’ny tany Sinara.” Raha izany anefa no izy, dia tokony ho novana ny teboka solon’ny zanatsoratra ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta.

2. Toerana notononin’i Amosa mpaminany niaraka tamin’ny tanànan’i Hamata sy Gata, rehefa nampitandrina ny Israely sy Joda izy fa hisy loza hanjo azy ireo. (Am 6:2) Misy mpivaofy teny mihevitra hoe i Kalne etsy amin’ny No. 1 ihany izy io. Milaza anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tany akaikin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane izy io, fa tsy tany Mezopotamia, matoa notononina niaraka tamin’i Hamata sy Gata. Ilay antsoin’ny soratra asyrianina hoe Kollani tany amin’ny faritra avaratr’i Syria (mety ho i Kollan Kôy ankehitriny, 16 km eo ho eo atsimoatsinanan’i Arpada), hono, izy io. Nilaza i Tiglato-pilesera III fa anisan’ireo tanàna resiny izy io, rehefa nanafika tany andrefana izy. Raha marina izany, dia i Kalno ao amin’ny Isaia 10:9 ihany ilay Kalne eto.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara