FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fifamofoana”
  • Fifamofoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifamofoana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fanambadiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mifalia Amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fifamofoana”

FIFAMOFOANA

Lazaina hoe mifamofo ny olon-droa raha mifanaiky fa hivady. Teo amin’ny Hebreo, dia ny ray aman-dreny roa tonta, indrindra fa ny ray, no nanao ny fifanarahana. (Ge 24:1-4; 38:6; 21:21) Matetika no nohenoina ihany izay mba safidin’ilay tovolahy. (Mpts 14:2) Raha nisy zazavavy nandova satria maty tsy nanan-janakalahy ny rainy, dia afaka nanambady izay tiany izy, nefa tsy maintsy ho lehilahy teo amin’ny fokony ihany. (No 36:6) I Jehovah mihitsy no nifidy izay ho vadin’i Isaka. (Ge 24:50, 51) Ny ray aman-dreny na ny ray matetika no nifidy sy nangataka izay ho vadin’ny zanany lahy, ary taorian’izay no natao ny fifamofoana. Fifanarahana ara-dalàna no natao ka ny ray aman-drenin-drazazavavy no teo amin’ny andaniny, fa ny naman’ny mpampakatra na izay nisolo tena azy ara-dalàna kosa no teo amin’ny ankilany.​—Ge 24:1-4; Jn 3:29.

Tsy afa-nisaraka tamin’ny fifamofoana ny vodiondry na ny môhar. Miseho intelo ao amin’ny Baiboly io teny hebreo io. (Ge 34:12; Ek 22:16, 17; 1Sa 18:25) Ny ray aman-dreny matetika no nomena ny vodiondry. “Zava-tsarobidy” kosa no nomen’ny mpanompon’i Abrahama ho an’ny renin’i Rebeka sy ho an’i Labana anadahiny izay tena niandraikitra an’ilay fifanarahana. (Ge 24:53) Mety ho fanompoana na asa koa no natao vodiondry (môhar). (Ge 29:15-30; Js 15:16) Milaza ny Eksodosy 22:16, 17 fa raha nisy tovolahy nanadala tovovavy ka nanao firaisana taminy dia tsy maintsy nanome môhar ho an’ny rain-drazazavavy izy ho onitra, na dia tsy namela azy hanambady an-janany aza ilay ray. Indraindray dia nahazo “fanomezana fanaovam-beloma” avy tamin-drainy ilay hampakarina, na nomena fanomezana nandritra ny fotoana nanaovana ny fifamofoana, toy izay nitranga tamin’i Rebeka.​—1Mp 9:16; Js 15:17-19; Ge 24:53.

Noheverin’ny Hebreo ho toy ny efa mpivady ny mpifamofo. Mbola tsy niara-nipetraka anefa izy ireo raha tsy rehefa vita ny fampakarana.​—Ge 19:8, 14; Mpts 14:15, 16, 20.

Tena zava-dehibe tamin’ny Jiosy ny fifamofoana, satria raha tsy raikitra ilay fanambadiana, dia nila nahazo taratasy fisarahana ara-dalàna razazavavy vao afaka nanambady olon-kafa. (Mt 1:19) Mety hoe niova hevitra mantsy ilay lehilahy na nisy antony hafa marim-pototra tsy naha raikitra ilay fanambadiana. Meloka ho nanitsakitsa-bady ka nomelohina ho faty izay tovovavy efa fofombadin’olona nefa nijangajanga tamin’olon-kafa. (De 22:23, 24) Raha nisy mpanompovavy efa fofombadin’olona ary mbola tsy navotana sy mbola tsy nomena fahafahana, nefa nisy lehilahy nanao firaisana taminy, dia meloka izy roa ka nosazina. Tsy tokony hovonoina ho faty anefa izy ireo, satria tsy olona afaka ravehivavy.​—Le 19:20-22.

Tsy nampanaovina raharaha miaramila ny lehilahy nanana fofombady.​—De 20:7.

Tsy milaza ny Baiboly hoe firy taona ny olona no afaka manana fofombady. Any Israely sy any amin’ireo firenena manodidina, dia fahita ankehitriny ny hoe atao mariazy ny ankizivavy efa vita fifamofoana rehefa 16 taona (indraindray aza mbola kely noho izany). Milaza ireo manam-pahaizana momba ny Talmoda fa tsy mahazo manambady ny ankizilahy raha latsaka ny 13 taona sy iray andro, ary ny ankizivavy raha latsaka ny 12 taona sy iray andro.

Matetika no tsy ela be aorian’ny fifamofoana no atao ny fampakaram-bady. Mety hila fotoana lavalava ihany anefa indraindray vao voaloan’ilay lehilahy ny vodiondry nifanarahana, na izay vao vitany ilay fanompoana nasaina nataony. Nila nanompo fito taona, ohatra, i Jakoba mba hahazoana an’i Rahely. I Lea anefa no azony. Nila niandry herinandro taorian’izay izy vao nahazo an’i Rahely, saingy tsy maintsy nanompo an’i Labana fito taona fanampiny.​—Ge 29:20-28.

Tokony hitana ny teny nataony ny Kristianina, ary tokony hanaraka an’izao toro lalana nolazain’i Jesosy izao: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra izany.” (Mt 5:37) Hoy koa i Jakoba: “Rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, mba tsy hiharan’ny fanamelohana ianareo.”​—Jk 5:12.

Ny ampakarin’i Kristy. Natolotra ho vady hampakarin’i Jesosy Kristy ny fiangonana kristianina, izay oharina amin’ny vatan’i Jesosy Kristy. (Ef 1:22, 23) Tamin’ny Pentekosta taona 33 no nomena fanahy masina sy fahaizana miteny amin’ny fiteny samihafa ireo voalohany anisan’ilay “ampakarina.” Toy ny fanomezana omena ny ampakarina izany, ka ‘antoka mialoha ny amin’ny lovan’izy ireo. Nasiana izany tombo-kase izany izy ireo mba hanafahana ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, mba hiderana azy amim-boninahitra.’ (Ef 1:13, 14) Lasa Kristianina ireo olona nitorian’ny apostoly Paoly momba an’i Kristy, ary nampanantenaina fa ho lasa vadin’i Kristy izy ireny. Nampirisika azy ireny i Paoly mba hiezaka hadio foana, ka ho virjiny madio ho an’i Kristy. (2Ko 11:2, 3) Heverina ho toy ny efa manana fofombady ireo anisan’ny fofombadin’i Kristy raha mbola eto an-tany, ary asaina ho amin’ilay sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry izy ireo.​—Ap 19:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara