FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/8 p. 30-31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifamofoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fiomanana ho Amin’ny Fanambadiana Vanona
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/8 p. 30-31

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny halehiben’ny fifamofoana?

Antom-pifaliana ny fifamofoana, nefa koa raharaha lehibe. Tsy misy Kristianina matotra tokony hanamaivana ny fifamofoana nataony, noho ny fiheverana hoe azony faranana izy io na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, raha sendra miova hevitra ny tenany. Ny fotoan’ny fifamofoana koa dia fotoana ifankahalalan’ny olon-droa bebe kokoa, alohan’ny fanambadiana.

Mila mahatakatra isika, eo am-pandinihana ity foto-kevitra ity, fa ireo fombafomba mifandray amin’ny fanambadiana, sy ireo dingana mitarika ho amin’izy io, dia miovaova be arakaraka ny toerana sy ny vanim-potoana. Manome ohatra ny amin’izany ny Baiboly.

Ireo zanak’i Lota roa vavy, izay “tsy mbola nahalala lahy”, dia mpifamofo tamin-dehilahy roa teo an-toerana. ‘Efa hanambady ny zanakavavin’i Lota ireo vinantony’, nefa tsy lazain’ny Baiboly amintsika ny antony na ny fomba nisian’ireo fifamofoana ireo. Efa lehibe ve ireo zanany vavy ireo? Nanana anjara toerana lehibe ve izy mirahavavy, teo amin’ny fifidianana izay ho vadiny? Nanjary vita fifamofoana tamin’ny alalan’ny fanaovan-javatra ampahibemaso ve izy mirahavavy? Tsy fantatsika ny amin’izany. (Genesisy 19:8-14). Fantatsika kosa fa nilatsaka nanao fifanekena tamin’ny rain-dRahely i Jakoba mba hanambadiana an-dRahely, aorian’ny fito taona hiasany ho an’ny rain-dRahely. Na dia nilaza an-dRahely hoe “vadiko” aza i Jakoba, dia tsy nisy firaisana teo amin’izy ireo nandritra ireo taona ireo. (Genesisy 29:18-21). Indro misy ohatra hafa iray: Talohan’ny nahafahan’i Davida nanambady ny zanakavavin’i Saoly, dia tsy maintsy nandresy ny Filistina aloha izy. Rehefa vitan’i Davida ny zavatra nangatahin’i Saoly, dia afaka nanambady an’i Mikala, zanakavavin’i Saoly, izy. (1 Samoela 18:20-28). Samy hafa ireo “fifamofoana” ireo, ary samy hafa amin’izay fahita any amin’ny tany maro ankehitriny.

Nisy fitsipika momba ny fanambadiana sy ny fifamofoana ny Lalàn’i Mosesy. Ohatra, afaka nanana vady mihoatra ny iray ny lehilahy iray; afaka nisaraka tamin’ny vadiny noho ny antony maro samihafa ny lehilahy, fa toa tsy afaka nanao izany kosa ny vehivavy. (Eksodosy 22:15, 16; Deoteronomia 24:1-4). Ny lehilahy iray izay nitaona virjiny iray mbola tsy voafofo mba hanao firaisana aminy, dia tsy maintsy nanambady azy raha nanaiky ny rain-drazazavavy, ary tsy azony nisarahana na oviana na oviana razazavavy. (Deoteronomia 22:28, 29). Teo koa ireo lalàna nihatra tamin’ny fanambadiana, toy ireo namaritra ny fotoana tsy tokony hanaovana firaisana. (Levitikosy 12:2, 5; 15:24; 18:19). Fitsipika inona avy no nifandray tamin’ny fifamofoana?

Ny vehivavy isiraelita iray efa voafofo, dia tsy nitovy sata tamin’ny vehivavy mbola tsy voafofo; noheverina ho efa manambady ny vehivavy voafofo, tamin’ny lafiny sasany. (Deoteronomia 22:23-29; Matio 1:18, 19). Tsy afaka nifamofo tamin’ny havana sasany na nanambady azy ireny ny Isiraelita. Mazàna ireny olom-pady ireny no nananana rohim-pihavanana. Noho ny zo momba ny lova kosa anefa no nandrarana ny fifamofoana sy ny fanambadiana sasany. (Levitikosy 18:6-20; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1978, pejy faha-7-10.) Mazava fa tsy tokony hohamaivanin’ny mpanompon’Andriamanitra ny fifamofoana.

Teo ambanin’izany fitsipika rehetra napetraky ny Lalàna izany ireo Isiraelita, fa ny Kristianina kosa tsy mba eo ambanin’io Lalàna io, anisan’izany ireo fitsipiny momba ny fifamofoana na ny fanambadiana. (Romana 7:4, 6; Efesiana 2:15; Hebreo 8:6, 13). Raha ny marina, dia nampianatra i Jesosy hoe samy hafa amin’ny an’ny Lalàna ny fari-pitsipika kristianina momba ny fanambadiana. (Matio 19:3-9). Na izany aza, dia tsy nohamaivanin’i Jesosy ny maha zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fifamofoana. Koa ahoana àry ny amin’ilay foto-kevitra dinihintsika, dia ny fifamofoana eo amin’ny samy Kristianina?

Any amin’ny tany maro, dia ny isam-batan’olona no mifidy izay ho vadiny. Rehefa nifanaiky hivady ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, dia heverina ho mpifamofo izy ireo. Tsy takina mazàna ny hanaovan-javatra ofisialy fanampiny ho fampiorenana tsara ilay fifamofoana. Marina fa, any amin’ny toerana sasany, dia fanaon’ilay lehilahy ny manome peratra ilay ho vadiny, ho mariky ny fifamofoan’izy ireo. Fanao koa ny manambara ampahibemaso ny amin’ilay fifamofoana mba ho fantatr’ireo havana aman-tsakaiza, toy ny amin’ny fiaraha-misakafo ataon’ny fianakaviana, na amin’ny fivoriana kely hafa. Safidin’ny tsirairay ireny, fa tsy zavatra takin’ny Soratra Masina. Izy roa nifanaiky no maha fifamofoana ny fifamofoana.a

Tsy tokony hirotoroto ho amin’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, na ny fifamofoana, na ny fanambadiana, ny Kristianina. Izahay dia mamoaka fanazavana miorina amin’ny Baiboly, izay afaka manampy ny mpitovo mba hanapa-kevitra raha fahendrena ny hanombohany hiaraka amin’ny olona iray, na ny hanaovany zavatra izay hitarika ho amin’ny fifamofoana na ho amin’ny fanambadiana.b Ny hevitra fototra iray tamin’izany torohevitra izany dia ny hoe maharitra ny fanambadiana kristianina. — Genesisy 2:24; Marka 10:6-9.

Tokony hifankahalala tsara ny Kristianina roa, alohan’ny hanombohan’izy ireo hieritreritra ny amin’ny fifamofoana. Afaka manontany tena toy izao ny tsirairay amin’izy ireo: ‘Tena azoko antoka ve ny fahasalamany ara-panahy sy ny fifikirany amin’Andriamanitra? Azoko an-tsaina ve izany hoe hiara-manompo an’Andriamanitra amin’izy iny mandritra ny androm-piainako izany? Ampy ve ny fifankahalalanay toetra? Matoky ve aho fa ho afaka ny hiara-dalana maharitra izahay? Ampy ve ny zavatra fantatro momba izay nataony tamin’ny lasa sy ny tarehin-javatra misy azy ankehitriny, ary ampy koa ve ny zavatra fantany momba ahy raha ny amin’ireo lafiny ireo?’

Rehefa mifamofo ny Kristianina roa, dia ara-dalàna ho azy ireo sy ho an’ny hafa ny manantena fa ho avy ny fanambadiana. Nananatra toy izao i Jesosy: “Aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Tokony hitana ny teny nataony ny Kristianina efa nifanaiky hifamofo. Eo anefa izao tarehin-javatra izao izay mitranga indraindray: Mety ho fantatry ny Kristianina iray efa vita fifamofoana fa nisy zavatra lehibe tsy voaresaka na nafenina talohan’ilay fifamofoana. Mety ho zava-dehibe iray momba ny fiainan’ny ankilany tamin’ny lasa izany, eny, mety ho heloka bevava na fitondran-tena maloto mihitsy aza. Ilay Kristianina nahafantatra izany dia tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay tokony hataony. Angamba hiara-mandinika ilay raharaha amin’ny fomba feno izy roa ka samy hanaiky ny hanohizana ilay fifamofoany. Na, samy mety ho tapa-kevitra ny hamarana ilay fifamofoana izy roa. Fanapahan-kevitra tena lehibe izany, na dia mety ho raharahan’izy ireo manokana aza, izany hoe zavatra tsy tokony hidiran’ny hafa, na hokianiny, na hotsarainy. Etsy an-danin’izany, dia mety hahatsiaro ho voatery hamarana samirery ilay fifamofoana ilay nahafantatra ny amin’ilay raharaha lehibe, na dia maniry ny hitohizan’izany aza ny ankilany. — Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1976.

Misy antony tsara tokony handaminana ny raharaha toy izany, alohan’ny hidirana amin’ny fanambadiana. Nilaza tokoa mantsy i Jesosy fa ny hany antony araka ny Soratra Masina ahafahana misara-panambadiana ka mamela ny tena hanambady indray, dia ny por·neiʹa, izany hoe ny fahalotoam-pitondran-tena momba ny maha lahy na ny maha vavy, ataon’ny ankilany. (Matio 5:32; 19:9). Tsy nilaza izy hoe azo faranana amin’ny fisaraham-panambadiana ny fanambadiana ara-dalàna, raha manjary fantatry ny tena fa nisy zava-nanahirana lehibe na fanaovan-dratsy lehibe talohan’ny fampakaram-bady.

Ohatra, tamin’ny andron’i Jesosy dia tena nety hitranga ny hoe nanjary azon’ny habokana ny olona iray. Raha nanjary fantatry ny lehilahy jiosy iray fa, hay, efa boka ny vadiny (na fantatr’ilay vadiny izany na tsia) fony io vadiny io nanambady azy, moa ve ralehilahy nanana antony nahafahana nisara-panambadiana? Nety ho nisara-panambadiana noho izany antony izany ny Jiosy iray teo ambanin’ny Lalàna, nefa araka ny voalazan’i Jesosy, dia tsy nety ho an’ny mpianany ny nanao izany. Diniho ny tarehin-javatra sasany amin’izao andro maoderina izao. Ny lehilahy iray izay voan’ny tety, na fery eo amin’ny filahiana, na mitondra tsimokaretina VIH, na manana areti-mifindra lehibe hafa, dia nety ho nanambady nefa tsy nanambara izany aretina izany. Nety ho azony tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena talohan’ny fifamofoana na nandritra ny fifamofoana izany aretina izany. Atỳ aoriana, dia fantatr’ilay vehivavy ny amin’ilay aretim-badiny na ilay fahalotoam-pitondran-tenan’izy io tamin’ny lasa (hatramin’ny hoe momba izy io na malemy ny filahiany). Izany anefa dia tsy manova ny hoe efa mpivady izy ireo izao. Ny zavatra iray tsy mahafinaritra, izay nitranga talohan’ny fampakaram-bady, dia tsy antony araka ny Soratra Masina ahafahana mamarana ilay fanambadiana. Toy izany koa no izy raha toa ilay vehivavy ka efa nanana aretina tamin’ny fotoan’ny fampakaram-bady, na efa bevohokan’olon-kafa mihitsy aza, saingy nafeniny. Efa mpivady izy ireo izao ary efa nifanaiky fa hanaja ny fanambadiany.

Marina fa mahalana ny toe-javatra mampalahelo toy izany, kanefa ireo ohatra ireo dia tokony ho vao mainka hanamafy izao hevitra fototra izao: Tsy tokony hohamaivanina ny fifamofoana. Alohan’ny fifamofoana sy mandritra azy io, dia tokony hiezaka mafy hifankahalala tsara ny Kristianina. Tokony hilaza ny marina momba izay tian’ny ankilany hofantarina na ananany zo hofantarina, izy ireo. (Any amin’ny tany sasany, dia takin’ny lalàna ny hanaovan’ny olon-droa hivady fitiliana ara-pitsaboana, alohan’ny fanambadiana. Mety haniry ny hanaovana izany fitiliana izany ny hafa mba hahalalan’ny tenany zavatra.) Amin’izay ilay fifaliana entin’ny fifamofoana sy ilay maha zava-dehibe azy io, dia hanatanteraka zava-kendrena mendri-kaja, eo am-pirosoan’izy roa ho amin’ilay toe-piainana mahafaly lavitra sy lehibe lavitra, dia ny fanambadiana. — Ohabolana 5:18, 19; Efesiana 5:33.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Any amin’ny fiaraha-monina sasany, dia mbola ahitana ray aman-dreny mifanaraka amin’ny ray aman-dreny hafa mba hampifamofoana ny zanak’izy ireo. Ela be alohan’ny fotoana hahafahan’ireo ankizy roa hanambady angamba no efa nandaharana izany. Mandritra izany fotoana izany, dia ekena ho mpifamofo, na ekena ho toy ny efa nifanaiky, izy roa, na dia mbola tsy mpivady aza.

b Jereo ny Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, toko faha-28-32, sy ny Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, toko faha-2, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara