FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/5 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Anarana “manafintohina” ve?
  • Ny fifamofoana: fanekena ve?
  • Mifanentana amin’ny haitao amin’izao andro izao
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fifamofoana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mahasoa anao ve ny tantara ara-pivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Wessel Gansfort sy ny Fanavaozana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/5 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Anarana “manafintohina” ve?

Araka ny gazety katolika Comnuovi tempi, dia ilaina arahina ny torohevitra nomena momba ny anaran’Andriamanitra. Tsy tokony hotononina izy io. Ho azo soratana amin’ny litera efatra YHWH izany fara faharatsiny, nefa tokony hovakina hoe “Tompo”. Ireo teny ireo no nanaraka ny fitarainana an-tsoratra avy amin’ny “Fikambanam-pifankatiavana eo amin’ny jiosy sy ny kristiana”, manana foibe any Roma. Izany fitarainana izany, niarahan’ny teolojiana sy ny mpivaofy teny mitana toerana ambony, katolika sy jiosy, nanao sonia, dia miangavy ny “mpanao fanontana sy ny mpiasa manao ny lahatsoratry ny gazety mivoaka isan’andro sy ny gazety mivoaka ara-potoana” mba tsy hampiasa intsony ny anarana hoe “Yahweh”, satria “nihevitra izany ho manafintohina ny jiosy; amin’izy ireo tokoa dia tsy tokony hotononina ny anaran’Andriamanitra”. Milaza ilay fikambanana fa io fangatahana io dia miorina amin’ny “lovantsofina jiosy tena tranainy” izay “mbola hajaina foana” hatramin’izao.

Kanefa, tokony hanaiky hotarihin’ny fanao jiosy ve ny kristiana? Hety ve ny handavany ny anaran’Andriamanitra sy tsy hetezany hanonona azy? Araka ny Baiboly, dia tian’Andriamanitra ho fantatry ny rehetra fa izy, “izay atao hoe Jehovah”, no ilay Avo Indrindra (Salamo 83:18; Ezekiela 38:23; Malakia 3:16). Nanome ohatra ny amin’izany i Jesosy. Tsy nanaraka ny fanao jiosy “nanafoana ny tenin’Andriamanitra” izy fa nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao kosa: “Hohamasinana anie ny anaranao!” (Matio 6:9; 15:6). Ary, ora vitsivitsy monja talohan’ny nahafatesany ho sorona, dia hoy izy tao amin’ny vavaka iray: “Nampahafantariko azy [ny mpianatro] ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.” — Jaona 17:26.

Ny fifamofoana: fanekena ve?

Vao avy nahavita ny fanaky ny tokantranony vaovao ny tovovavy Breziliana iray sy ny fofombadiny. Efa lasa ireo taratasy fanasana ary, telo andro talohan’ny fampakaram-bady, dia toa efa vonona ny zava-drehetra. Mba hanomanana ny fiainan-ko aviny, dia efa nijanona tsy niasa razazavavy. Tamin’izay indrindra, nifanohitra tamin’ny fanantenana rehetra, no nanapaka ny fifamofoana razazalahy. Ankona sy diso fanantenana tanteraka ilay vehivavy tanora ka nanao fangatahana hampakatra fitsarana. Nanambara ny mpisolovavany fa ny ‘fifamofoana dia fanekena mialoha ny fanambadiana ary, raha tapaka noho ny tsy fisian’ny antony azo ekena, dia tokony handray onitra noho ny fahavoazana nihatra ilay olona voa’. Nanonona didim-pitsarana araka izany ny fitsarana, manameloka an-drazazalahy handrotsaka ho an’ny fofombady nialany ‘vola faritan’ny lalàna sy handoa izay lanin’ny fitsarana sy ny mpisolovava’. Mikasika io fanapahan-kevitra io no nanoratan’i Nereu Mello mpahay lalàna toy izao tao amin’ny Jornal da Lapa, gazety mivoaka isan’andro any São Paulo: “Fanekena tena lehibe ny fifamofoana ka tsy mamela ny lalàna tsy hiraika ny fahatapahany.”

Ny hevitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fifamofoana dia tsy vaovao akory. Teo ambany lalàn’i Mosesy, ny vehivavy iray nijangajanga dia nandray, raha voafofo ho vadin’olona izy, fanamelohana mitovy amin’ny an’ny vehivavy nanitsakitsa-bady. Samy hafa amin’ny an’ny tovovavy nanao fijangajangana nefa tsy voafofo ho vadin’olona ny natao taminy (Deoteronomia 22:23, 24, 28, 29). Tamin’izany fotoana izany, ny fifamofoana dia fanekena iray tena mafy orina toy ny fanambadiana (Matio 1:19). Ny kristiana amin’izao andro izao, dia mihevitra ihany koa ny fifamofoana ho toy ny dingana lehibe. Tsy manamaivana izany velively izy. — Jereo Matio 5:37.

Mifanentana amin’ny haitao amin’izao andro izao

Taorian’ny fanomezan-tsiny nataon’i Martin Luther ho fanoherana ny fivarotana famotsoran-keloka (famindrampo amin’ny sazy sasany noho ny fahotana), dia nandrara ny fanaovana azy io ny Fiangonana katolika tamin’ny 1562. Kanefa, ny mpiandraikitra iray ao Vatican, Pedro Albellan, dia nampahatsiaro vao haingana fa ny fampianarana momba ny fanomezana famotsoran-keloka dia nitoetra ho “raikitra sy tsy miova”. Asehon’ny bokikely katolika iray mikasika ny famotsoran-keloka, izay nasiana fanitsiana, fa nampifanentanin’ny Vatican amin’ny haitao amin’izao andro izao io finoana fahiny io. Araka ny Times any Londres, dia azon’ny eveka atao ankehitriny ny “manome famotsoran-keloka manontolo ho an’ny mpiangona ao aminy, amin’ny alalan’ny fampielezam-peo na ny fahitalavitra, ka intelo isan-taona izany, rehefa mampita ny tsodranon’ny papa izy”. Misy fepetra ihany anefa na dia izany aza. “Tokony hatao mivantana ny fampitana”, hoy Luigi De Magistris, avy amin’ny Trano fivalozana apostolika sy masina ao Vatican, birao mikarakara ny famotsoran-keloka. “Tsy ampy ny mijery fandaharana nahemotra na naverina”.

Kanefa, azo atao ve ny milaza fa ny fanao momba ny famotsoran-keloka — na amidy izany, na omena mivantana na amin’ny alalan’ny fahitalavitra — dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina? Na dia namela heloka an-tsitra-po aza Jesosy indraindray, dia tsy nilaza mihitsy izy na ireo apostoly, fa nila famotsoran-keloka ny olombelona. “Ny ran’i Jesosy, [ny] Zanaka [Zanak’Andriamanitra], no manadio antsika amin’ny fahotana rehetra, hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.” (I Jaona 1:7, 9). Raha mahazo famelana toy izany ny ota rehetra, amin’ny ota inona indray no ilaina fanadiovana amin’ny sazy, ota inona no tokony hosasana amin’ny fividianana famotsoran-keloka? — Jaona 3:36; Romana 5:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara