EFAHA, II
(Efàha) [mety hidika hoe Haizina].
1. Zanakalahin’i Midianina, ary zafikelin’i Abrahama sy Ketora. (Ge 25:1, 2, 4; 1Ta 1:32, 33) Toa nanana rameva be dia be ny taranak’i Efaha.—Is 60:6.
2. Vadikelin’i Kaleba. Niteraka telo lahy tamin’i Kaleba i Efaha: Harana sy Moza ary Gazeza. Mety ho zafikely anefa i Gazeza fa tsy zanaka.—1Ta 2:46.
3. Zanakalahin’i Jeday avy amin’ny fokon’i Joda.—1Ta 2:3, 47.