FANAFODY MASO
Zavatra fanosotra amin’ny maso izay manasitrana. Ampiasaina an’ohatra izy io ao amin’ny Baiboly. Nasaina nividy ‘fanafody maso hikosehana ny masony mba hahitany’ ireo Kristianina tany Laodikia, satria jamba ara-panahy izy ireo. (Ap 3:17, 18) Midika ara-bakiteny hoe mofo kely mihorongorona na boribory ilay teny grika (kôlloriôn) nadika hoe fanafody maso. Toa natao boribory na nahorongorona toy ny mofo kely àry ilay fanafody. Tany Laodikia angamba no nanamboarana an’ilay fanafody maso nantsoina hoe vovoka frijianina. Nisy sekoly fianarana ho dokotera mantsy tany, ary izany no nampahalaza an’ilay tanàna. Nazava tsara tamin’ireo Kristianina tany àry ilay fampirisihana azy ireo hividy fanafody maso.