Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina
Genesareta — ‘Mahatalanjona sady kanto’
“Manamorona ny farihin’i Genesareta dia misy faritra iray mitondra io anarana io ihany, izay mahatalanjona noho ireo endrika mampiavaka azy sy ny hakantony. Noho ilay tany lonaka dia tsy misy zavamaniry izay tsy mandrobona any, ary mamboly ny zavatra rehetra ny mponina: antonony tsara ny hafanan’ny rivotra ka sahaza ireo karazan-javamaniry maro karazana indrindra. (...) Tsy vitan’ny hoe mamokatra ireo voankazo maro samihafa mahavariana indrindra izy io fa ahitana izay ilaina tsy tapaka. (...) Voatondraky ny loharano iray manana hery mampahalonaka lehibe izy io.
Toy izany no nilazalazan’ilay mpanoratra tantara atao hoe Josèphe ilay lemaka telolafy any amin’ny morony avaratra andrefan’ilay fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe Ranomasin’i Galilia. Ireo sary etsy ambony dia mety hahazoanao an-tsaina ny amin’ny hoe tena nahavokatra tokoa io lemaka io, izay anisan’ny tany lonaka indrindra any Galilia.a Nanana heviny lehibe aoka izany io faritra io tamin’ny andro fahiny, hany ka niantso ilay ranomasina misy rano mangatsiatsiaka mifanila aminy hoe “ny Farihin’i Genesareta” i Lioka, mpanoratra ny Filazantsara. — Lioka 5:1.
Nampiasa io fitenenana io izy rehefa nitantara fa tonga teo amin’io faritra io i Jesosy ary nahita lehilahy efatra izay tonga apostoly. Moa ve izy ireo mpamboly nivelona tamin’ilay tany mahavokatra, ka namboly voaloboka na “noix” na oliva, na aviavimbazaha? Tsia. Tondraka teo amin’ilay Lemak’i Genesareta ny zavamaniry toy izany, saingy mpanarato kosa ireo lehilahy ireo, ary mora takatra ny antony naha-toy izany azy.
Azo inoana fa ireo renirano namakivaky ilay lemaka dia nitondra zavamaniry tany anaty ranomasina, izay tonga sakafo tondraka ho an’ny trondro. Noho izany, dia feno karazan-trondro ilay rano, ka nitarika ho amin’ny fisian’ny taozava-baventy momba ny jono lehibe iray. Mpanarato trondro ho amin’ny raharaham-barotra tany i Petera sy i Andrea, toa an-dry Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio mpanarato. — Matio 4:18-22; Lioka 5:2-11.
Matetika ny fanjonoana no natao tamin’ny alalan’ny fanipazana harato tarihina avy eny ambony sambokely. Izany no nataon’i Petera sy i Andrea rehefa nanatona azy ireo i Jesosy. Novelarina naka endrika antsasa-paribolana ny harato lava na harato tarihina iray. Nisy bosoa nitana ny sisiny ambony, raha mbola nitana ny harato hivelatra hatrany ambanin’ny ranomasina ireo fanavesarana teo amin’ny fanambaniny. Be dia be ny trondro mety ho azo amin’ny harato toy izany. Sintonina ho ao anaty sambo kely izy io avy eo, na tarihina mankamin’ny rano marivo kokoa, mba hanesorana ny trondro eny amoron-drano. Navahana ny trondro fihinana sy tsy fihinana. Mariho ny fahamarinan’ny antsipiriany ao amin’ny Lioka 5:4-7 sy ny Jaona 21:6-11. Tsaroanao ve fa niresaka ny amin’io fomba fanjonoana io i Jesosy tao amin’ny fanoharany ny amin’ny harato tarihina? (Matio 13:47, 48). Fanampin’izany, ny Matio 4:21 dia manasongadina fa matetika ireo mpanarato no tsy maintsy nandany fotoana hanamboarana harato rovitry ny harambato na ny trondro.
Raha mandalo amin’iny morontsirak’i Genesareta iny ianao, dia angamba hahita toerana roa lazaina fa nitrangan’ireo fisehoan-javatra maro tamin’ny fanompoan’i Jesosy. Ny iray dia ny havoana maitso mavana iray izay teo, araka ny lovantsofina, no nanaovan’i Jesosy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra. Tsy mifanipaka amin’ny fitantaran’ny Filazantsara ny amin’io toerana io, satria teo akaikin’ny Lemak’i Genesareta i Jesosy fony izy nanao ilay toriteny. — Matio 5:1–7:29; Lioka 6:17–7:1.
Misy toerana hafa iray lazaina ho marina, nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy voatantara ao amin’ny Baiboly. Hahita fiangonana iray naorina teo amin’izay noheverina fa namahanan’i Jesosy olona 4 000 tamin’ny mofo fito sy trondro vitsivitsy, ianao. (Matio 15:32-38; Marka 8:1-9). Tsy mametraka izany eo amin’ny Lemak’i Genesareta ny fitantaran’i Marka, fa manisy firesahana kosa ny amin’ny “tany Dekapolisy”, izay teny ampitan’ny ranomasina, 11 kilaometatra avy eo. — Marka 7:31.
Milaza i Matio sy i Marka fa rehefa avy nanao io fahagagana io i Jesosy, dia niondrana an-tsambo ho any Magadana, na Dalmanota. (Matio 15:39; Marka 8:10). Ireo mpivaofy teny dia mampifandray an’io faritra io amin’i Magdala (Migdal), eo atsimon’ny Lemak’i Genesareta, mankany Tiberiasy indrindra. Araka ny voalazan’ny The Macmillan Bible Atlas, i Magdala dia “nalaza noho ny taozava-baventiny fikarakarana trondro”. Ny fanjonoana miroborobo any amin’iny faritry ny farihy iny dia azo antoka fa mety hahatonga ny taozava-baventy toy izany ho azo ampiasaina sady hahitana tombontsoa.
Mahaliana ny mahafantatra fa ny haintany tamin’ny 1985/86 dia nampihena ny haavon’ny rano tao amin’ny Ranomasin’i Galilia, ka nampipoitra faritra nalalaka tamin’ny fanambanin’ilay farihy. Teo akaikin’ny Lemak’i Genesareta, ny lehilahy roa dia nahita sisa tavela tamin’ny sambokely tranainy iray. Afaka nahita ireo arkeôlôgy fa tany amin’ny fotoana nitsidihan’i Jesosy ny Farihy sy ny Lemak’i Genesareta tany ho any no nisian’ilay sambokely fanjonoana vita tamin’ny hazo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay sary miloko lehibe kokoa ao amin’ny Calendrier des Témoins de Jéhovah, 1992.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Garo Nalbandian
[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.