GENOBATA
(Genobàta).
Zanakalahin’i Hadada, andriana edomita. Nandositra nankany Ejipta i Hadada rehefa nanafika an’i Edoma i Joaba lehiben’ny tafika, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Nahazo sitraka tamin’i Farao i Hadada, ka nomeny ho vadiny ny zaobaviny. Niteraka an’i Genobata izy mivady, ary niara-nobeazina tamin’ny zanak’i Farao ilay zaza.—1Mp 11:14-20.