FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hadada”
  • Hadada

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hadada
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Hadara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Genobata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bedada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Pao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hadada”

HADADA

(Hadàda).

1. Iray amin’ireo 12 lahy zanak’i Ismaela, zanakalahin’i Abrahama sy Hagara vadikeliny.​—Ge 25:12-15; 1Ta 1:28-30.

2. Mpanjakan’i Edoma nandimby an’i Hosama. Toa nanjaka avy tao Avita “i Hadada zanakalahin’i Bedada, izay nandresy ny Midianita teo amin’ny faritr’i Moaba.”​—Ge 36:31, 35, 36; 1Ta 1:46, 47.

3. Mpanjaka iray hafa tany Edoma; vadin’i Mehetebela. Nandimby an’i Bala-hanana i Hadada, ary “Pao no anaran’ny tanànany.” (1Ta 1:43, 50, 51) Antsoina hoe Hadara izy ao amin’ny Genesisy 36:39. Nanao fahadisoana angamba teo ny mpanao dika soratra, satria mitovitovy ny “r” (ר) sy ny “d” (ד) amin’ny teny hebreo.

4. Edomita tarana-mpanjaka nitarika fikomiana tany Israely, tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Novonoin’i Joaba ny lahy rehetra tany Edoma, ka nandeha nitsoaka niaraka tamin’ny mpanompon-drainy sasany i Hadada, tamin’izy mbola kely. Nandalo tao Parana izy ireo, ary avy eo nankany Ejipta. Noraisin’i Farao tsara izy ireo tany. Nomeny tany, trano ary sakafo i Hadada, ary nomeny ho vadiny mihitsy aza ny zaobaviny, tatỳ aoriana. Niteraka an’i Genobata i Hadada sy ny vadiny, ary niara-notezaina tamin’ny zanak’i Farao tao an-dapa ilay zazalahy. Niverina tany Edoma i Hadada raha vao reny fa maty i Davida Mpanjaka sy Joaba, ary lasa mpanohitra an’i Solomona izy.​—1Mp 11:14-22, 25.

5. Ilay andriamanitra lehibe indrindra tany Syria fahiny, ary heverin’ny maro ho Rimona. Ahitana ny teny hoe Hadada ny anaran’ny mpanjaka syrianina sasany, toa an’i Beni-hadada (1Mp 15:18) sy Hadadezera (1Mp 11:23), ary koa ny anarana hoe Hadadrimona.​—Za 12:11; jereo HADADRIMONA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara