FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Voatangomboalavo, Voatango”
  • Voatangomboalavo, Voatango

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voatangomboalavo, Voatango
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Zavamaniry Misy Poizina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Elisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Pasteky
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Betsaka ny Miaraka Amintsika Noho ny Miaraka Amin’izy Ireo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Voatangomboalavo, Voatango”

VOATANGOMBOALAVO, VOATANGO

[Heb.: pakkoʽôt, mr.].

Ny hany ahitana ilay hoe pakkoʽôt (heb.; “voatangomboalavo”) ao amin’ny Baiboly, dia ny fitantarana momba ilay olona nitango sy nitetika voatangomboalavo ary nandrotsaka azy io tao anaty lasopy, rehefa nisy mosary tamin’ny andron’i Elisa. Tsy nety nihinana intsony “ireo zanaky ny mpaminany” nanandrana an’ilay lasopy, sao ho voapoizina. Nanao fahagagana anefa i Elisa ka azo nohanina ihany ilay izy.​—2Mp 4:38-41.

Maromaro ny zavamaniry lazaina fa pakkoʽôt. Ny voandrafy (Citrullus colocynthis), iray karazana amin’ny pasteky, anefa no heverina ho toa mifanitsy amin’ilay “voatangomboalavo.” Mandady lava be toy ny tahon’ny kôkômbra ny an’ny voandrafy, ary mitovitovy ny ravin’izy ireo. Hoatrahoatran’ny voasary ny haben’ny voany, matevina sy malama ny hodiny misy pentina maitso sy mavo, ary mangidy be sy misy poizina ny nofony malemilemy, izay fanaovana fanafody. Voandrafy izay toa misy poizina àry ilay voatangomboalavo hafahafa tsiro resahin’ny Baiboly. (2Mp 4:40) Efa nalazo tamin’izay ny ankamaroan’ny zavamaniry, fa izy io kosa mbola maitso ka notazan’ilay olona tsy nahalala azy.

Mety ho boribory toy ny voandrafy ireo voatango natao sokitra (heb.: pekaʽim), nandravahana ny kovetabe varahina sy ny takela-kazo sedera natao aty rindrin’ny tempolin’i Solomona.​—1Mp 6:18; 7:24; 2Ta 4:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara