HAZARA-ENANA
(Hazàra-enàna) [Tokotanin’ny (Tanàna Kelin’ny) Loharano].
Toerana teo amin’ny ilany avaratra tamin’ny sisin-tanin’ny “tany Kanana.” (No 34:2, 7-10) Nanonona an’i Hazara-enana niaraka tamin’i Damaskosy sy Hamata i Ezekiela, tao amin’ilay fahitana azony momba ny tanin’ny Israely. (Ezk 47:13, 17; 48:1) Tsy fantatra izay tena nisy an’i Hazara-enana hatramin’izao. Manam-pahaizana maro anefa no mihevitra azy io ho i Karyatein, tokotokony ho 120 km any avaratratsinanan’i Damaskosy, eo amin’ny lalana mankany Palmyra.