HENA, I
1. [Fiantrana; Hatsaram-panahy]. Zanakalahin’i Zefania (tsy mpaminany). Nody avy tany an-tsesitany tany Babylona izy. Natao tao an-tempolin’i Jehovah ho fahatsiarovana an’i Hena sy ny telo lahy hafa ny satroboninahitra iray tsara tarehy, rehefa avy natao teo amin’ny lohan’i Josoa Mpisoronabe.—Za 6:11, 14.
Azo inoana fa i Hena ihany ilay Josia resahin’ny Zakaria 6:10. Noheverina fa 1) anaran-tsamirery, 2) fanafohezana na endriny hafa amin’ny hoe Josia, ary 3) anarana iombonana ny hoe Hena. Samy misy hoe Josia ny Zakaria 6:10 sy 6:14, ao amin’ny Peshitta syriàka sy ny Baiboly maoderina sasany. (Mo, AT) Manao hoe “Hena, zanak’i Zefania” ny Baiboly maro (TV, Prot., JM) ao amin’ny Zakaria 6:14, toy ny soratra nataon’ny Masoreta ihany. Ny Fandikan-teny Katolika (fan. 2011) kosa manao hoe “ny fahalalahampon’ilay zanakalahin’i Tsefanià.”
2. Tanàna na faritra tanisaina miaraka amin’i Sefarvaima sy Iva, izay samy azon’ny Asyrianina. (2Mp 18:34; 19:13; Is 37:13) Tsy Hena no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo fa Ana, izay tanàna teny antsasa-dalana raha manaraka ny moron’ny Reniranon’i Eofrata. Misy manam-pahaizana anefa milaza fa azo inoana kokoa hoe tany Syria no nisy an’i Hena sy Sefarvaima ary Iva.