SERFAVAVY
[Heb.: ʼaiyalah; ʼaiyelet].
Ny vavy amin’ny serfa ary anisan’ny fianakaviamben’ny Cervidae. Manifinify sy tsara bika, saro-tahotra, tsy mora mianjera, ary haingam-pandeha ny serfavavy. Misitrika any anaty ala mikitroka izy rehefa hiteraka, ary mitoka-monina any mba hikarakara sy hiaro ny zanany, mandra-pahafahan’izy ireny mamelon-tena.—Jb 39:1; Sl 29:9.
Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny serfavavy malemy paika sy tsara bika. (Oh 5:18, 19; To 2:7; 3:5; jereo GAZELA.) Resahiny an-kolaka koa fa tsy mora mianjera sy haingam-pandeha izy io, ka afa-mandositra an’ireo fahavalony. (2Sa 22:1, 34; Sl 18:32, 33; Ha 3:19) “Serfa manifinify” ny fokon’i Naftaly, hoy i Jakoba. Toa te hilaza izy fa ho kingakinga sy ho havanana izy ireo rehefa miady. (Ge 49:21) Toy ny anirian’ny serfa hahita rano mikoriana no nanirian’ny mpanao salamo hahita an’Andriamanitra, rehefa tsy navela ho any amin’ny toerana masina izy. (Sl 42:1-4) Ho mafy be ny hain-tany any Joda, matoa voalaza fa hahafoy ny zanany vao teraka ny serfavavy, nefa zavatra tsy fanaony izany.—Je 14:1, 2, 5.