MPIAMBINA FONJA
Mpiambina olona migadra izay voampanga ho nandika lalàna. Nadika hoe mpiambina fonja ny teny grika roa hoe basanistes (“mpampijaly”) sy hoe desmôfylaks, fitambaran’ny hoe desmôs (fatotra, gadra) sy fylaks (mpiambina).
Matetika no nampijalijaly an’ireo voafonja ny mpiambina, ka nantsoina hoe basanistes. Mety ho nokapohin’ny mpiambina sy nampijalijaliny, ohatra, izay olona nogadraina fa tsy nahaloa trosa. Tsy nafahana izy io ‘mandra-pandoany ny farany indrindra amin’ny vola madinika tena kely vidy’, hoy i Jesosy. (Mt 5:25, 26) Nanao fanoharana koa i Jesosy hoe nisy mpanompo tsy namindra fo sy tsy nahay nankasitraka. Tezitra ny tompony rehefa nahare izany, ka “nanolotra azy tamin’ny mpiambina ny fonja [basanistais], mandra-pandoany ny trosany rehetra.”—Mt 18:34, 35; ampitahao amin’ny Ap 14:11, izay ahitana ny hoe basanismo nadika hoe ‘fijaliana.’
Raha nitsoaka ny voafonja, dia nampiharina tamin’ny mpiambina ny tokony ho sazin’ilay voafonja, araka ny fanaon’ny Romanina. ‘Nofotopotoran’i Heroda [àry] ireo mpiambina, ary nasainy nentina hosazina’, tamin’i Petera nafahan’ny anjely avy tao am-ponja.—As 12:19.
Notaritarihina teo anatrehan’ny tompon’andraiki-panjakana i Paoly sy Silasy tany Filipy, nasain’ireo nokapohina tamin’ny hazo, ary “nataony am-ponja ... rehefa avy nokapohiny imbetsaka, ary nodidiany ny mpiambina [desmôfylaki] mba hiambina azy ireo tsara. Koa satria nahazo izany baiko izany ilay mpiambina, dia nanao azy roa lahy tany amin’ny fonja anatiny ka nangeja ny tongony tao amin’ny boloky hazo.” (As 16:22-24) Nisy horohoron-tany mafy anefa tamin’ny misasakalina, ka nivoha ny varavarana rehetra tao am-ponja. Nihevitra ilay mpiambina hoe nitsoaka ireo voafonja, ka saika hamono tena izy satria fantany fa hosazina mafy izy. Nilaza taminy anefa i Paoly fa tao daholo izy ireo. Lasa mpino ilay mpiambina, noho ilay zava-nitranga sy noho ny fanampian’i Paoly, ary natao batisa izy sy ny ankohonany.—As 16:25-36.