FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Josafata, Lemaka Ivan’i”
  • Josafata, Lemaka Ivan’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Josafata, Lemaka Ivan’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Josafata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fampiharana Didim-pitsarana ao Amin’ny Lohasaha Fitsarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Nitoky Tamin’i Jehovah i Josafata
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Narovan’i Jehovah i Josafata
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Josafata, Lemaka Ivan’i”

JOSAFATA, LEMAKA IVAN’I

Toa tsy toerana ara-bakiteny izy io, ary nantsoina koa hoe “lemaka ivan’ny didim-pitsarana.” (Jl 3:2, 14) Hampihatra ny didim-pitsarany eo Andriamanitra, ka mety tsara ny iantsoana azy io hoe “lemaka ivan’i Josafata.” Midika hoe “I Jehovah no Mpitsara” mantsy ny anarana hoe Josafata. Tamin’ny andro nanjakan’i Josafata koa i Jehovah no nanafaka an’i Joda sy Jerosalema teo an-tanan’ny tafik’i Amona sy Moaba ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira. Nataon’i Jehovah nifanaritaka ireo tafika fahavalo ireo, ka nifamono.​—2Ta 20:1-29.

Eo amin’ilay “lemaka ivan’i Josafata” an’ohatra i Jehovah no hitsara an’ireo firenena ka hanameloka azy ireo ho faty noho izy ireo nampijaly ny vahoakany. Ilay lemaka iva dia toy ny famiazam-boaloboka lehibe an’ohatra, izay hanitsakitsahana an’ireo firenena oharina amin’ny sampahom-boaloboka. Misy milaza fa ny Lohasahan’i Kidrona, na ny Lohasahan’i Hinoma, na ny Lohasahan’i Jezirela, io “lemaka ivan’i Josafata” io. Sarotra inoana anefa izany. Tsy misy amin’ireo lohasaha ireo mantsy antonona ny firenena “rehetra.”​—Jl 3:1-3, 12-14; ampit. Ap 14:18-20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara