LESONA 50
Narovan’i Jehovah i Josafata
I Josafata no mpanjakan’ny Joda tamin’izay. Nopotehiny daholo ny sampy sy ny alitaran’i Bala rehetra tany Joda. Tiany hahay ny lalàn’i Jehovah koa ny vahoaka, ka nirahiny hampianatra an-dry zareo ny andriana sy ny Levita.
Tsy sahy nanafika an’i Joda ny firenena teny akaikin-dry zareo, satria fantany hoe nampian’i Jehovah ry zareo. Nitondra fanomezana ho an’i Josafata Mpanjaka mihitsy aza ry zareo. Tonga hiady tamin’i Joda anefa, indray mandeha, ny Moabita sy ny Amonita ary ny avy tany amin’ny faritr’i Seira. Fantatr’i Josafata fa i Jehovah ihany no afaka manampy azy. Nasainy nivory tao Jerosalema daholo àry ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra, dia nivavaka izy hoe: ‘Jehovah ô, ho resy izahay raha tsy ampianao. Mba teneno anay re hoe inona no tokony hataonay e!’
Dia hoy i Jehovah: ‘Aza matahotra fa hampiako ianareo. Samia maka toerana ary mijoroa fotsiny, dia ho hitanareo fa hovonjeko ianareo.’ Dia inona no nitranga?
Nifidy mpihira i Josafata ny ampitso maraina, dia nasainy nandeha teo alohan’ny miaramila ry zareo. Niala tao Jerosalema izy rehetra dia nankany Tekoa, fa any ry zareo no hifanena amin’ny fahavalony.
Niady ho an’ny vahoakany amin’izay i Jehovah rehefa falifaly nihira mafy be hiderana azy ireo mpihira. Nataony nisahotaka ny Amonita sy ny Moabita dia nifamely, ary maty daholo. Tsy nisy niangana na iray aza. Narovan’i Jehovah kosa ny vahoaka sy ny miaramila ary ny mpisorona avy tao Joda. Henon’ny olona rehetra teny amin’ny manodidina izany, ka fantatry ry zareo fa niaro ny vahoakany foana i Jehovah. Mbola miaro ny vahoakany koa izy amin’izao. Be dia be ny fomba anaovany an’izany, sady tsy mila olona hanampy azy izy.
“Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany dia mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny hamonjen’i Jehovah anareo.”—2 Tantara 20:17