FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 67
  • Nitoky Tamin’i Jehovah i Josafata

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nitoky Tamin’i Jehovah i Josafata
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Narovan’i Jehovah i Josafata
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Josafata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Josafata, Lemaka Ivan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 67

TANTARA 67

Nitoky Tamin’i Jehovah i Josafata

FANTATRAO ve ireo olona ireo sy izay ataony? Handeha hiady izy ireo, ary mihira ireo lehilahy eo aloha. Nefa mety hanontany ianao hoe: ‘Nahoana ireo mpihira no tsy manana sabatra sy lefona mba hiadiana?’ Aoka hojerentsika.

I Josafata no mpanjakan’ny foko roan’ny Israely. Niara-belona tamin’i Ahaba Mpanjaka sy Jezebela avy amin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra izy. Mpanjaka tsara anefa i Josafata, ary mpanjaka tsara koa i Asa rainy. Koa nifaly tamin’ny fiainana tsara ny vahoaka tao amin’ny fanjakan’ny foko roa tany atsimo nandritra ny taona maro.

Natahotra anefa izao ny olona. Hoy ny iraka tamin’i Josafata: ‘Misy tafika lehibe avy any Moaba sy Amona ary ny Tendrombohitra Seira, avy hamely anao.’ Israelita maro no nivory tao Jerosalema mba hangataka ny fanampian’i Jehovah. Nankao amin’ny tempoly izy, ary nivavaka i Josafata tao: ‘Ry Jehovah Andriamanitray ô, tsy fantatray izay hataonay. Tsy misy afaka mamonjy anay avy amin’izao tafika lehibe izao. Mangataka ny fanampianao izahay.’

Nihaino i Jehovah, ary izao no nasainy nambaran’ny iray amin’ny mpanompony tamin’ny vahoaka: ‘Tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. Tsy mila miady ianareo. Mijere fotsiny ary ho hitanareo ny fomba hamonjen’i Jehovah anareo.’

Ny ampitso maraina dia hoy i Josafata tamin’ny vahoaka: ‘Matokia an’i Jehovah!’ Nametraka mpihira izy ho eny alohan’ny miaramila, ary avy eo raha teny am-pandehanana ireo dia nihira fiderana ho an’i Jehovah. Fantatrao ve izay nitranga rehefa nanakaiky ny ady izy? Nataon’i Jehovah izay hifamelezan’ny miaramila fahavalo. Ary rehefa tonga ny Israelita, dia efa maty avokoa ny miaramila fahavalo rehetra.

Moa ve tsy hendry i Josafata satria nitoky tamin’i Jehovah? Ho hendry isika raha mitoky aminy koa.

1 Mpanjaka 22:41-54; 2 Tantara 20:1-30.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara