FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Libya”
  • Libya

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Libya
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Pota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lehabima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sisaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ejipta, Ejipsianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Libya”

LIBYA

(Libỳa), Libyanina (Libyànina).

Tany Afrika Avaratra teo andrefan’i Ejipta no nisy an’i Libya fahiny. Heverina mazàna fa ireo nantsoin’ny Hebreo hoe Lovim no mponina tany Libya. (2Ta 12:3; “Libyanina”, TV, na “Libianina”, DIEM) Raha teny iray tarika amin’ny Lehavim (Lehabima) ny hoe Lovim, dia mety ho taranak’i Hama avy tamin’i Mizraima ny Libyanina sasany. (Ge 10:13) Ny Jiosy kosa mihevitra fa taranak’i Hama avy tamin’i Pota (Ge 10:6) ny Libyanina, araka ny nosoratan’i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 130-132 [vi, 2]) Nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina hoe “Libyanina” ny teny hebreo hoe “Pota”, ao amin’ny Jeremia 46:9 sy Ezekiela 27:10 ary 38:5. Mety ho nanorim-ponenana tany amin’ilay faritra nantsoina hoe Libya, tany Afrika Avaratra, tokoa ny taranak’i Pota sy Mizraima. Raha izany no izy, dia manana heviny malalaka kokoa noho ny teny hebreo hoe Lovim ny hoe “Libyanina.”

Voalaza fa i Sisaka mpanjakan’i Ejipta no voalohany tamin’ny “tarana-mpanjaka libyanina.” Namabo tanàna maro izy tamin’izy nanafika an’i Joda, tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama (993 T.K.). Nampiasa kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary miaramila libyanina izy. Tsy noravan’izy ireo i Jerosalema, nefa nalain’i Sisaka ireo zava-tsarobidy tao. (1Mp 14:25, 26; 2Ta 12:2-9) Nisy Libyanina koa tao amin’ny tafik’i Zera Etiopianina, 26 taona teo ho eo tatỳ aoriana (967 T.K.). Nanafika an’i Joda izy ireo nefa resy tanteraka. (2Ta 14:9-13; 16:8) Toa tsy nahavonjy an’i No-amona tanànan’i Ejipta tsy ho resin’ny Asyrianina ny Libyanina sy ny firenen-kafa, tamin’ny taonjato fahafito T.K. (Na 3:7-10) Voalaza fa “hanara-dia” an’ilay “mpanjakan’ny avaratra” ny Libyanina sy ny Etiopianina. Midika izany fa ho eo ambany fifehezan’io mpanjaka io ireo firenena nanohana an’i Ejipta ireo.​—Da 11:43.

Nisy Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tonga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. Anisan’izy ireo ny avy any amin’ny “faritr’i Libya, izay akaikin’i Kyrena”, izany hoe tany amin’ny faritra andrefan’i Libya. Azo inoana fa natao batisa ny sasany tamin’izy ireo rehefa avy nandre ny lahatenin’i Petera. Nentiny tany amin’ny taniny avy eo ilay hafatra reny.​—As 2:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara