POTA
(Pòta).
“Zanakalahin’i” Hama. (Ge 10:6; 1Ta 1:8) Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza ny taranak’i Pota, na dia mbola voatonona any amin’ny andininy hafa aza ny anarany. Matetika ny taranany no nanampy ny tafika ejipsianina. (Je 46:9; Ezk 30:4-6; Na 3:9) Mpikarama an’ady tao amin’ny tafik’i Tyro izy ireo, ka anisan’ny nampahalaza an’ilay tanàna. (Ezk 27:3, 10) Voalaza koa fa ho anisan’ny tafik’i Goga avy any Magoga i Pota.—Ezk 38:5.
Voaporofo fa misy ifandraisany amin’ireo Libyanina any Afrika Avaratra i Pota. “Libyanina” no nandikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina ny hoe “Pota” ao amin’ny andininy telo. (Je 46:9; Ezk 27:10; 38:5) Mitovitovy amin’ilay hoe pot[i]ja (matetika no heverina fa i Libya) ao amin’ny soratra persianina tranainy koa, ny teny hebreo nadika hoe “Pota.” Toa firenena samy hafa anefa i Pota sy Lovim (Libyanina), rehefa jerena ny Nahoma 3:9. Tsy midika akory izany hoe tsy Libyanina i Pota. Mety hanana heviny malalaka kokoa noho ny teny hebreo hoe Lovim mantsy ny hoe “Libyanina”, matoa i Hérodote (II, 32) niresaka momba ny “Libyanina, izay nisy foko maro.”
Vitsy no manaiky hoe i Pota ihany ilay “Ponta” resahin’ny soratra ejipsianina, satria tsy mitovy ny fomba fanononana azy.