FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Maday”
  • Maday

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maday
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Media, Medianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jafeta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fizarana 4: Ny Empira mediana sy persiana: Herim-panjakana fahefatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Hara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Maday”

MADAY

(Madày).

1. Voatonona fahatelo amin’ireo zanakalahin’i Jafeta. (Ge 10:2; 1Ta 1:5) Azo inoana fa izy no razamben’ny Medianina. Izany no nahatonga ny teny hebreo Madai hadika hoe “Medianina” na “Media” ao amin’ny 2 Mpanjaka 17:6; 18:11; Estera 1:3; Isaia 13:17; 21:2 ary ny andininy hafa. Madaia koa no nilazana ny Medianina tamin’ny teny asyrianina-babylonianina (akadianina), fa Mada kosa tamin’ny teny persianina tranainy. Nanorim-ponenana teo amin’ny Lembalemban’i Iran izy ireo fahiny, ka teo anelanelan’ny Tendrombohitra Elbourz (atsimon’ny Ranomasina Caspienne) sy ny Tendrombohitra Zagros eo atsinanan’i Asyria no nisy azy voalohany. Avy amin’ilay teny hoe “Aryanina” ilay anarana hoe Iran. Nantsoina hoe Aryanina ny taranak’i Jafeta.

2. [fanafohezana ny hoe Madia]. Israelita anisan’ireo “taranak’i Bany” nanambady vehivavy hafa firenena, nefa nandroaka an’ireny tamin’ny andron’i Ezra, taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany tany Babylona.​—Ezr 10:25, 34, 44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara