MAHALA
(Mahàla) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mihaosa; manjary marary”].
1. Iray tamin’ireo zanakavavin’i Zelofada avy amin’ny fokon’i Manase. Nangataka mba hahazo ny lovan’ny rainy i Mahala sy ireo rahavaviny, satria tsy nitera-dahy ny rainy fa vavy daholo ny zanany dimy. Nanontany an’i Jehovah i Mosesy, ary nandidy i Jehovah fa tokony hahazo an’ilay lova izy ireo. (No 26:28-33; 27:1-11) Namoaka didy koa i Jehovah fa tsy maintsy nanambady olona avy tao amin’ny fokon’i Manase i Mahala sy ireo rahavaviny, mba tsy hifindra foko ilay lova. “Lasa vadin’ny zanaky ny rahalahin-drainy” àry i Mahala sy ireo rahavaviny. (No 36:1-6, 10-12) Nanjary lalàna momba ny lova io didim-pitsarana io, nanomboka teo. (No 36:7-9) Niseho teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy Josoa izy dimy mirahavavy tatỳ aoriana, ary nilaza an’ilay didin’i Jehovah. “Nomena lova teo amin’ny rahalahin-drainy” àry izy ireo.—Js 17:3, 4.
2. Taranak’i Manase i Mahala, ary Hamoleketa no anaran-dreniny. Tsy voalaza na lahy na vavy io Mahala io.—1Ta 7:17, 18.