MIAMINA
(Miàmina) [Avy Amin’ny Tanana Havanana].
1. Taranak’i Arona. Izy no voafidy tamin’ny antsapaka ho lehiben’ny antoko-mpisorona fahenina, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.—1Ta 24:1, 3, 5, 9.
2. Anisan’ireo filohan’ny mpisorona niaraka tamin’i Zerobabela avy tany Babylona. (Ne 12:1, 5, 7) Mety ho izy no razamben’ny fianakaviamben-dry Miniamina resahin’ny Nehemia 12:17. Tsy hita eo amin’io andininy io ny anaran’ny lohan’io fianakaviambe io. Toa sendra hadinon’ireo mpanao dika soratra izany, tao amin’ny soratra hebreo.
3. Anisan’ireo “taranak’i Parosy” nankatò an’i Ezra, ka nandroaka ny vadiny hafa firenena “niaraka tamin’ny zanany.”—Ezr 10:25, 44.
4. Mpisorona (na mety ho razamben’ny mpisorona iray). Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia izy. (Ne 9:38; 10:1, 7, 8) Mety ho izy ihany ilay Miniamina resahin’ny Nehemia 12:41.
Toa fanafohezana an’ilay anarana hebreo hoe Miniamina ny hoe Miamina.