KASLOHIMA
(Kaslôhima).
Zanakalahin’i Mizraima zanak’i Hama, na firenena taranak’i Mizraima. Milaza ny Baiboly fa ny Kaslohima no “niavian’ny Filistinina.” (Ge 10:6, 13, 14; 1Ta 1:8, 11, 12) Ny andininy hafa kosa milaza fa avy any Kaftora na Kreta ny Filistinina. (Je 47:4; Am 9:7) Misy manam-pahaizana àry milaza fa tokony ho ao aorian’i Kaftorima (ilay voatonona farany amin’ny zanak’i Mizraima) ilay hoe “izay niavian’ny Filistinina.” Tsy voatery ho mifanohitra anefa ireo andininy ireo. Ny razamben’ny Filistinina mantsy no resahin’ilay fitantarana ao amin’ny Genesisy (sy ny Tantara), fa ny toerana niaviany (Kaftora) kosa no resahin’ireo andininy hafa. Toa avy tany amin’ny faritanin’ny Kaftorima izy ireo no nifindra monina.
Ireo andininy ireo ihany no miresaka momba ny Kaslohima ao amin’ny Baiboly. Tsy dia resahin’ny tantara koa izy ireo. Tsy misy fanazavana hoe taiza izy ireo no nonina, ankoatra ny hoe taranak’i Mizraima (teny hafa niantsoana an’i Ejipta fahiny) izy ireo.