FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nimrima”
  • Nimrima

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nimrima
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Beti-nimra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kiran’i Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zareda, Lohasaha Falehan-driakan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nimrima”

NIMRIMA

(Nimrìma) [mety hidika hoe Leopara].

Ny “ranon’i Nimrima”, dia voaresaka ao amin’ny faminanian’i Isaia sy Jeremia momba ny loza hanjo an’i Moaba. (Is 15:5-9; Je 48:34, 35) Namokatra ny faritra nolalovan’ny ranon’i Nimrima, ka misy mihevitra azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Nimrin, izay mivarina ao Jordana eo avaratry ny Ranomasina Maty. (Jereo BETI-NIMRA.) Toa tany atsimon’i Moaba anefa no nisy azy io, rehefa jerena ny filaharan’ireo toerana ao amin’ireo faminaniana ireo. Maro àry no milaza ny ranon’i Nimrima ho ny Lohasaha Falehan-driaka en-Nomeirah, izay mivarina eo amin’ny tendrony atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty, tokotokony ho 17 km any andrefana atsimoandrefan’i Karak. Nilaza mialoha ireo faminaniana fa “ho ritra tanteraka” ny ranon’i Nimrima. Angamba notampenan’ny fahavalo ilay rano ka ritra tanteraka, na mety ho teny an’ohatra ilay izy mba hilazana hoe ho lao ilay tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara