FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpampinono, Mpitaiza”
  • Mpampinono, Mpitaiza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpampinono, Mpitaiza
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Rebeka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Reny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Abisaga
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpampinono, Mpitaiza”

MPAMPINONO, MPITAIZA

Mehneket no teny hebreo nadika hoe mpampinono, ary nilazana vehivavy nampinono ny zanaky ny vehivavy hafa izy io. (Ge 24:59; 35:8; Ek 2:7; 2Mp 11:2; 2Ta 22:11; Is 49:23) Mpampinono an’i Rebeka, ohatra, i Debora fa lasa mpanompovaviny na mpitaiza azy kosa tatỳ aoriana, ary na efa maty aza i Rebeka dia mbola nanompo an’ilay fianakaviana foana izy. (Ge 24:59, 67; 35:8) Ny mpitaiza kosa mety ho lehilahy (heb.:ʼômen; No 11:12; Is 49:23), na vehivavy (heb.: ʼômenet; 2Sa 4:4). Samy afaka nikarakara sy nitaiza ankizy na marary na zokiolona ny lehilahy sy ny vehivavy. Nitaiza an’i Obeda zafikeliny i Naomy na dia efa antitra aza. Nikarakara an’i Davida Mpanjaka kosa i Abisaga, ilay virjiny tsara tarehy.​—Rt 4:13, 16, 17; 1Mp 1:1-4.

Nilaza i Paoly ao amin’ny 1 Tesalonianina 2:7 fa toy ny “reny mampinono” (gr.: trôfôs) izy sy ny namany. Nalemy fanahy tamin’ireo Kristianina tany Makedonia mantsy izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara