KIJANA
Velaran-tany midadasika feno ahitra firaofan’ny biby fiompy. Nisy kijana nanodidina an’ireo tanàna 48 nomena ny Levita tany Israely. Tsy azo namidy ireny kijana ireny. Ny trano tao an-tanàna kosa azo namidy, saingy naverina tamin’ny tompony rehefa taon-jobily.—No 35:2-5; Le 25:32-34; Js 21:41, 42.
Hoy ny Nomery 35:4: “Ho arivo hakiho [445 m] manodidina ny tanàna, miala avy eo amin’ny manda” ny kijana. Hoy anefa ny andininy faha-5: “Any ivelan’ny tanàna, dia handrefy roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsinanana ianareo.” Natao toy izany ny lafiny efatra. Maro ny hevitra naroso mba hampifanarahana an’ireo isa ireo. Ao no milaza fa tokony ho “roa arivo hakiho” toy ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ny eo amin’ny andininy fahefatra, fa tsy “arivo.” Ny soratra hebreo sy ny Vulgate latinina ary ny Peshitta syriàka anefa manao hoe “arivo.” Misy Jiosy mpivaofy teny indray milaza fa tsy nifefy ilay 1000 hakiho (No 35:4) ary nasiana sahan’oliva sy tranom-biby. Ilay 2000 hakiho (No 35:5) kosa, hono, no tena kijana sady nisy saha sy tanimboaloboka, ka nahatratra 3000 hakiho ny lafiny tsirairay, raha natambatra.
Tombantombana fotsiny anefa izany, fa misy fanazavana hafa toa mitombina kokoa. Misy mpivaofy teny milaza fa norefesina avy teo amin’ny lafiny atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimon’ny tanàna ilay kijana 1000 hakiho. ‘Tany ivelan’ny tanàna’ kosa no norefesina ilay 2000 hakiho, izany hoe tsy norefesina avy teo amin’ny mandan’ny tanàna. Raha refesina àry ny manodidina, hoy izy ireo, dia 2000 hakiho ny lafiny tsirairay tamin’ilay kijana. Raha izany no izy, dia tsy anisan’ilay 2000 hakiho ny refin’ilay ‘tanàna teo afovoany.’ Mifanaraka tsara àry ireo refy roa, araka ny hita eo amin’ny kisary.
2800 hakiho − 800 hakiho [haben’ny tanàna] = 2000 hakiho
Nirefy 50 hakiho ny ‘kijana teo amin’ny lafiny efatry’ ny toerana masina tao amin’ny fahitan’i Ezekiela (Ezk 45:2), ary 250 hakiho avy ny kijana teo amin’ny lafiny efatr’ilay tanàna hoe “Jehovah Mihitsy no Ao.” (Ezk 48:16, 17, 35) Nanana kijana koa i “Sarôna”, izay mety ho faritra na tanàna tany atsinanan’i Jordana. (1Ta 5:16) Ny teny hebreo nadika hoe “kijana” ao amin’ireo andininy ireo no ampiasaina ao amin’ny Ezekiela 27:28, izay miresaka momba ny tanànan’i Tyro nizara roa, ka ny iray amoron-tsiraka ary ny iray nosy. Nadika hoe “tany manodidina” (Prot.), “mponina amoron-tsiraka” (DIEM), ary “morontsiraka” (TV) io teny io ao. Te hilaza angamba ilay andininy fa hitaraina ireo mponina amoron-tsiraka teo akaikin’i Tyro rehefa rava izy io.
Nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Israelita maro ny biby fiompy, ka tena nilaina ny kijana mba hiraofan’ny ondry aman’osy. (2Sa 7:8; 1Ta 4:39-41) Niteraka olana ny tsy fisian’ny kijana. (Ge 47:3, 4) Nanam-be sy nilamina kosa ny olona rehefa be ny kijana. (Is 30:23; Sl 65:12, 13; 23:2) Lao tanteraka àry ny tany iray matoa nilaozana ny kijanany. (Is 27:10) Nampiasaina indray kosa ny kijana rehefa niadana sy nankasitrahan’Andriamanitra indray ny firenena. (Is 65:10; Je 23:3; 33:12; 50:19; Mi 2:12) Nitarika ny ondriny tany amin’ny kijana be vilona sy tsy misy atahorana ny mpiandry ondry be fitiavana. Mitarika sy mikarakara ny vahoakany toy izany koa i Jehovah.—Sl 79:13; 95:7; 100:3; Ezk 34:31.