FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Perizita”
  • Perizita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Perizita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Asa An-terivozona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Adoni-bezeka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ireo Firenena tao Amin’ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Perizita”

PERIZITA

(Perizìta).

Foko nonina tany Kanana talohan’ny nipetrahan’ny Israelita tany. (Ge 13:3-7; 34:30; Ek 3:8, 17) Tsy voatonona niaraka tamin’ireo “fianakavian’ny Kananita” anisan’ireo fianakaviana 70 velona taorian’ny Safodrano izy ireo. (Ge 10:15-18) Tsy fantatra àry hoe iza no razambeny.

Nampanantena Andriamanitra fa homeny ho an’ny taranak’i Abrahama ny tanin’ny Perizita sy ny foko hafa. (Ge 15:18-21; Ne 9:7, 8) Teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Kanana no nisy an’ireo Perizita, tamin’ny Israelita naka ny Tany Nampantenaina. (Js 11:3) Nandresy an’ireo Perizita sy Kananita tao Bezeka izay toa teo andrefan’i Jerosalema ny fokon’i Joda, rehefa naka ny anjara lovany. (Mpts 1:4, 5; Js 24:11) Mbola nisy Perizita tavela tao amin’ny faritanin’i Efraima sy Manase, rehefa voazaran’ny Israelita ny tany Kanana.​—Js 17:15-18.

Iray tamin’ireo firenena fito be mponina sy mahery noho ny Israely ny Perizita. Imbetsaka i Jehovah no nandidy ny Israelita mba handripaka an’ireny firenena ireny. Tsy tokony hanao fifanekena na fifanarahana ara-panambadiana amin’izy ireny ny Israelita, na hamindra fo aminy. (Ek 23:23, 24; 33:2; 34:11-13; De 7:1-3; Js 3:10) Tsy naringan’ny Israelita tanteraka anefa izy ireny. Lasa fandrika ho azy ireo àry ny Perizita.​—De 7:4; 20:17, 18; Mpts 3:5, 6.

Nampanaovina asa an-terivozona ny sisa tavela tamin’ny Perizita, tamin’ny andron’i Solomona. (1Mp 9:20, 21; 2Ta 8:7, 8) Tsikaritr’i Ezra fa nanambady vehivavy perizita ny Jiosy sasany avy tany an-tsesitany. Nanaiky ny toroheviny anefa izy ireo, ka nandroaka an’ireny vady hafa firenena ireny. (Ezr 9:1, 2; 10:11, 12, 44) Tsy miresaka momba ny Perizita intsony ny Baiboly, aorian’izay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara