FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Godorao Ranony”
  • Godorao Ranony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Godorao Ranony
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Godorao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ranomasina Tsy Manan-tsahala
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Godorao Ranony”

GODORAO RANONY

Ranoka mainty madity tsy misy afa-tsy karbonina sy hidrozenina, ary mitovitovy amin’ilay antsoina hoe tara. (Jereo GODORAO.) Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe zefet izy io.

Mora mirehitra ny godorao ranony, ary manetroka be rehefa mirehitra raha tsy ampy rivotra. Ho rava tanteraka i Edoma matoa voalaza hoe ho feno godorao ranony ny reniranony, ary “ho toy ny godorao mirehitra” ny taniny ka hiakatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny setroka avy aminy. (Is 34:9, 10) Tena godorao ranony ilay izy satria teny akaikin’ny Ranomasina Maty i Edoma, ary mbola ahitana godorao eny amorony indraindray, izay avy amin’ireo godorao any an-kibon’ny tany saron’ilay ranomasina.

Nopetahana “godorao mivaingana sy godorao ranony” ilay vata kely zozoro nanafenana an’i Mosesy. (Ek 2:3) Ilay mivaingana angamba no napetaka tao anatiny, fa ilay ranony kosa no teo ivelany, hoy i Rashi, Jiosy mpivaofy teny. Na mety ho godorao karazany roa nafangaro ilay izy. Hoy i W. Thomson: “Miresaka ny fomba nanamboarana godorao [ny Eksodosy 2:3]. Efa mora miempo ny godorao atỳ, nefa mora vaky toy ny fitaratra ilay izy rehefa mangatsiaka. Tsy maintsy afangaro tara ilay izy rehefa miempo, ka lasa toy ny savoka mafy mangirana izay tsy tantera-drano mihitsy.” (Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 200) Teny iray ihany (asfaltôpissa [asfalta miharo godorao ranony]) anefa no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mbola misy mandalotra sambo amin’ny godorao ranony ankehitriny, any Israely sy ny firenena manodidina azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara