FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Godorao”
  • Godorao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Godorao
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Godorao Ranony
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ranomasina Tsy Manan-tsahala
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Godorao”

GODORAO

Akora mainty na somary mivolontsôkôlà madity (asfalta). Teny hebreo telo no ilazana azy io: Zefet ilay izy raha ranony, hemar raha mivaingana, ary kôfer raha ampiasaina amin’ny rafitra hazo. (Jereo GODORAO RANONY.) Tsy tantera-drano ny godorao, ka efa nampiasain’ny olona talohan’ny Safodrano. Nodidiana toy izao, ohatra, i Noa rehefa hanao ny sambofiara: ‘Hosory godorao ny atiny sy ny ivelany.’​—Ge 6:14.

Tsy tantera-drano ilay vata kely zozoro nametrahana an’i Mosesy zaza, ary nitsingevana teny akaikin’ny bararata teo amin’i Neily satria nopetahana “godorao mivaingana sy godorao ranony.” (Ek 2:3) Hitan’ireo nanorina ny tanànan’i Babylona fa tsy tantera-drano sady miraikitra tsara ny godorao, ka nataony rihitra nanakambanana biriky nodorana tao anaty lafaoro.​—Ge 11:3.

“Be lavaka godorao” (“lavak’asfalta”, Prot.) ny Lohasahan’i Sidima fahiny, teny akaikin’i Sodoma sy Gomora tany amin’ny faritry ny Ranomasina Maty. (Ge 14:10) Ahitana godorao eny amoron’ny Ranomasina Maty indraindray, ka mety ho any ambanin’izy io i Sidima ankehitriny. Mora mirehitra ny godorao, ka naminany i Isaia fa “ho toy ny godorao mirehitra” ny tany Edoma.​—Is 34:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara