FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sokina”
  • Sokina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sokina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tanalahy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Gisa Mpanidina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Loha Andry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zefania, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sokina”

SOKINA

[Heb.: kippôd].

Biby mpikiky lehibebe, ary rakotra tsilotsilo miaro azy ny vatany. Niadian-kevitra be hoe inona marina no dikan’ny hoe kippôd (heb.), ka nisy nandika azy io hoe “sokina” (Prot., Kat., TV) na “tararaka” (DIEM). (Is 14:23; 34:11; Ze 2:14) Azo ilazana sokina na vorona ny hoe kippôd rehefa jerena ny niavian’io teny io, hoy i G. Driver, kanefa tokony hoe “karazana vorontsiloza”, hono, no andikana azy io ao amin’ireo andininy ireo. (Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1955, p. 137) I Koehler sy Baumgartner indray milaza fa tokony hoe “sokina” ny ao amin’ny Isaia 14:23 sy 34:11, fa “vorondolo bory sofina” kosa ny ao amin’ny Zefania 2:14. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 845) Azo ilazana biby roa samy hafa tokoa ny teny hebreo iray. Ohatra amin’izany ny hoe tinshemet, izay manondro vorona (“gisa mpanidina”) na koa biby mifanaretsaka (“tanalahy”).​—Le 11:18, 30.

Na tsy tena fantatra aza anefa ny dikan’ny hoe kippôd, dia tsara kokoa ny andikana azy io foana hoe “sokina”, fa tsy hoe “tararaka.” Misy hoe “sokina” mantsy matetika ny dikan’ny hoe kippôd ao amin’ny diksionera taloha sy ankehitriny. Manamafy izany ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina, ny niavian’ny teny hebreo, ary ny teny hafa misy ifandraisana amin’ny teny hebreo toy ny aramianina, arabo, ary etiopianina.

Misy anefa milaza fa tsy marina ilay hoe sokina resahin’ny Isaia 14:23 sy Zefania 2:14, izay mitantara ny handravana an’i Babylona sy Ninive. Tsy mpankeny amin’ny kamory anirian’ny bararata mantsy, hono, ireny, sady tsy afaka mihira na mianika tendron’ny andry. Tsy kamory anirian’ny bararata anefa no lazain’ny Isaia 14:23 hoe ho fonenan’ny sokina, fa i Babylona. Nilaza ny mpikaroka iray nitsidika an’i Babylona efa rava fa nahita “tsilotsilo maro be avy tamin’ny sokina” izy. Tsy voatery ho sokina koa ilay ‘nihirahira teo am-baravarankely’ tany Ninive rehefa lao izy io, fa mety ho vorona nankeo amin’ny varavarankely tsy nisy olona, na mety ho rivotra nitsoka. (Ze 2:14) Tsara hotadidina koa fa tanàna efa rava no resahina, ka azo inoana fa efa “nirodana” ireo andry. Tsy mahagaga àry raha ‘natory teo amin’ireo tendron’ny andry’ toy izany ny sokina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara