FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sardoanina”
  • Sardoanina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sardoanina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Firavaka sy Vatosoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jerosalema Vaovao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kalsedoanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sardoniksa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sardoanina”

SARDOANINA

Vatosoa volontsôkôlà somary mena ary tantera-pahazavana. Karazana kalsedoanina izy io ary fanao ravaka. Nilaza i Pline Zokiny fa nantsoina hoe sardoanina izy io satria tany Sardisy, any Lydia, no nisy nitondra azy io voalohany tany Azia Minora. Misy anefa nanazava fa avy amin’ilay teny persianina hoe sered, izay midika hoe “mena somary mavo”, ny hoe sardoanina. Efa hatrany Persa, hono, no niantsoana azy toy izany, satria tany no niavian’izy io. Misy Baiboly miantso azy io hoe “sardoana” na “karneola.” Tsara tarehy sy mafy io vato io ary mora atao sokitra sy kosehina hangilatra tsara, ka lasa vato tena tian’ny mpanao asa tanana. Mety ho avy tany amin’ny Saikinosin’i Arabia no nahazoan’ny Hebreo ny sardoanina nampiasainy.

Miresaka momba ny sardoanina ny Apokalypsy 4:3. Voalaza ao fa “tahaka ny ... vatosoa mena [sardoana, Kat.; sardoanina, DIEM] no fahitana” an’ilay mipetraka eo ambony seza fiandrianana be voninahitra any an-danitra. “Voaravaka vatosoa isan-karazany” ny fototry ny mandan’ilay “tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao.” Ny sardoanina no vato fototra fahenina.​—Ap 21:2, 19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara