FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sebna”
  • Sebna

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sebna
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Hesorina Amin’​ny Andraikiny Izay Manampatra Fahefana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Eliakima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fandraisana Fianarana avy Amin’ny Tsy Fahatokian’ny Hafa
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Tia Antsika i Jehovah Matoa Mananatra Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sebna”

SEBNA

(Sebnà) [mety ho fanafohezana ny hoe Sebania].

Manamboninahitr’i Hezekia Mpanjaka. Nitana toerana ambony i Sebna, satria “mpiandraikitra ny trano”, izay azo inoana fa ny tranon’i Hezekia. Naniraka an’i Isaia anefa i Jehovah mba hilaza mialoha tamin’i Sebna fa ‘horoahina hiala amin’ny toerany’ izy. Nahoana? Satria angamba noho izy nirehareha sady matimatim-boninahitra. Nanangana fasana mora hitam-bahoaka mantsy izy. Nomena an’i ‘Eliakima mpanompon’Andriamanitra’ ny akanjom-boninahitr’i Sebna sy ny fehikibo lambany, sy ny fahefany, ary “ny lakilen’ny ankohonan’i Davida.”​—Is 22:15-24.

Tsy nesorina tamin’i Sebna daholo anefa ny andraikiny rehetra. Anisan’ireo nirahina hiresaka tamin’i Rabsake koa mantsy i Sebna mpitan-tsoratry ny mpanjaka, rehefa nandrahona ny hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba tamin’ny 732 T.K. Niaraka tamin’i Sebna tamin’izay i Eliakima (izay efa lasa mpiandraikitra ny trano) sy ny mpanoratra ny raharaham-panjakana. Nandrovitra ny akanjony izy ireo rehefa niverina nitondra ny tatitra tany amin’i Hezekia. Nirahin’i Hezekia ho any amin’i Isaia izy ireo avy eo, mba hanontany an’i Jehovah.​—2Mp 18:18–19:7; Is 36:3–37:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara