SOMERA
(Somèra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “miambina”].
1. Taranak’i Asera. Mpiadidy sy lohan’ny fianakaviambe ny zanany efa-dahy. Samera koa no niantsoana azy indraindray.—1Ta 7:30, 32, 34, 40.
2. Voalaza fa zanakalahin’i Somera sy “Simrita vehivavy moabita” i Jozabada, izay anisan’ireo namono an’i Joasy mpanjakan’ny Joda. (2Mp 12:21; 2Ta 24:26) Amin’ny teny hebreo, dia anaran-dehilahy ny hoe Somera ary ny anaram-behivavy mifanitsy aminy dia Simrita. Misy àry mihevitra an’i Somera ho rain’i Jozabada, ary i Simrita ho reniny. Mety ho rain’i Simrita anefa i Somera. Raha izany no izy, dia zafikeliny i Jozabada, ka taranaka no dikan’ilay hoe ‘zanaka.’