MPITOVO
Olona tsy manambady. Hoy i Jehovah Andriamanitra rehefa avy namorona an’i Adama: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Hanao mpanampy ho azy aho, ho famenony.” (Ge 2:18, 21-24) Lasa lalam-piainana àry ny fanambadiana taorian’izay. Maningana vao nisy mpitovo, ary noho ny antony manokana no nanaovany izany.—Jereo FANAMBADIANA.
Mpitovo i Jeremia, ary Andriamanitra no nandidy azy mba tsy hanambady sy tsy hanan-janaka satria hisy fahoriana hamely ny fireneny, ka haripaky ny mpanafika lozabe ny ankizy. (Je 16:1-4) Mpitovo koa ny zanakavavin’i Jefta. Nanefa ny voadin-drainy izy ary vonona ny hijanona ho mpitovo sy hanompo manontolo andro tao amin’ny tranon’i Jehovah.—Mpts 11:34-40.
Nilaza ny apostoly Paoly fa misy tombony maro azon’ny mpitovo, raha mbola tsy manery azy mafy loatra ny filany, izany hoe tsy “harehitry ny filan’ny nofo” izy ka hoe atahorana hijangajanga. “Tsara kokoa” ny mijanona ho mpitovo, satria ahafahana manompo an’Andriamanitra “tsy misy fieritreretana zavatra hafa” izany. (1Ko 7:1, 2, 8, 9, 29-38; 9:5) “Virjiny efatra izay naminany” no nilazan’i Lioka an’izy efa-bavy zanak’i Filipo mpitory ny vaovao tsara. Tsy voalaza anefa raha nanambady izy ireo tatỳ aoriana, na tsia.—As 21:8, 9.
Nijanona ho mpitovo toa an’i Jeremia koa i Kristy Jesosy. Niresaka tamin’ny mpianany izy momba ny hoe ny mijanona ho mpitovo ve no tsara kokoa sa ny manambady. Hoy izy avy eo: “Tsy ny rehetra no afaka manao izao lazaiko izao, fa izay nahazo izany fanomezana izany ihany ... Fa misy kosa minia tsy manambady noho ny fanjakan’ny lanitra. Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.”—Mt 19:10-12.
Fanomezana àry ny fijanonana ho mpitovo, ary tombony lehibe ananan’izy ireo ny hoe manana fahafahana. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay afaka mitoetra ho tsy manambady, dia aoka izy hanao izany.” Ahoana no hanaovany izany? Tsy hoe ny tenany no hovosiriny fa ny fony, izany hoe vonona sy tapa-kevitra ny tsy hanambady izy mandritra ny fotoana voafetra, na mandritra ny androm-piainany. Ho vitany izany raha mifehy tena izy.
Misy fivavahana mandrara ny olona sasany tsy hanambady. Tsy mampianatra an’izany anefa ny Soratra Masina. Voalaza kosa aza hoe: “Hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any. ... Mandrara tsy hanambady izy ireny.” (1Ti 4:1-3) Tsara homarihina fa nanambady ny ankamaroan’ny apostoly. (1Ko 9:5) Tsy voatery hoe mivoady ny tsy hanambady ny olona mifidy ny hijanona ho mpitovo, fa te hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra kosa izy ary fantany hoe ho vitany izany.