FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/03 p. 1
  • “Aoka Handray Izany Izay Mahay Mandray”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aoka Handray Izany Izay Mahay Mandray”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaiza Manararaotra Raha Tsy Manambady Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny fijanonana ho mpitovo: Fomba fiaina mitondra soa be dia be
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Fitoerana ho Mpitovo — Varavarana ho Amin’ny Asa Tsy Voahelingelina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mpitovo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 4/03 p. 1

“Aoka Handray Izany Izay Mahay Mandray”

1 Niresaka fanambadiana tamin’ny mpianany i Jesosy indray mandeha ary nilaza fa ‘fanomezana’ ny fitoerana ho mpitovo. Hoy izy avy eo: “Aoka handray izany izay mahay mandray.” (Matio 19:10-12) Nanoratra momba ny soa raisin’ny olona tsy manambady ny apostoly Paoly, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nampirisika ny olona mba hijanona ho mpitovo toa azy. (1 Kor. 7:7, 38) Olona maro ankehitriny no tsy nanambady ary mandray soa avy amin’izany. Inona ny sasany amin’izy ireo?

2 ‘Tsy mivezivezy ny sainy’: Tsapan’i Paoly fa ‘tsy nivezivezy ny sainy’ teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, noho izy nijanona ho mpitovo. Afaka manao fangatahana hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ny rahalahy mpitovo ankehitriny. Ary amin’ny ankapobeny, dia ny mpitovo no manana fahafahana kokoa ho mpisava lalana, na hianatra fiteny vahiny, na hifindra any amin’izay ilana mpitory maro kokoa, na hanompo any amin’ny Betela, na hiantsoroka andraikitra manokana. Mety ho betsaka sy halalaka kokoa ny fotoana hanaovany fianarana samirery sy hisaintsainana ary hivavahana amin’i Jehovah amin’ny fo. Manana fotoana bebe kokoa hanampiana ny hafa ny olona tsy manambady. ‘Mahasoa’ an’ilay olona avokoa izany rehetra izany.—1 Kor. 7:32-35; Asa. 20:35.

3 Mitondra valisoa lehibe ny fanompoana rehefa tsy mivezivezy ny saina. Nanoratra toy izao ny anabavy iray tsy manambady, rehefa avy nanompo 27 taona tany Kenya: ‘Maro be ny namako tany, ary tena betsaka ny asa! Niara-nanao zavatra izahay sady nifampitsidika. Tsy manambady aho, ka azoko nampiasaina hanaovana fanompoana ny fotoana bebe kokoa nananako sy ny fahafahana nifindra toerana. Tena nahafaly ahy izany.’ Hoy ihany izy: “Nihamafy ny fifandraisako tamin’i Jehovah nandritra ny taona maro.”

4 Aoka handray izany izay mahay mandray: Nilaza i Jesosy fa noho “ny fanjakan’ny lanitra” no tokony tsy hanambadian’ny olona iray. (Matio 19:12) Toy ny fanomezana rehetra, dia tokony hampiasaina araka ny tokony ho izy koa ny fitoerana ho mpitovo, mba hahafaly sy hahasoa. Manana fahafahana hanao zavatra betsaka kokoa ny mpitovo. Maro no nanararaotra izany fahafahana izany sy nihevitra azy io ho sarobidy, ary niantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana fahendrena sy tanjaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara