FIHAZONANA LAHIN-JIRO
Fitaovana volamena nampiasaina tamin’ireo jiron’ny fitoeran-jiro tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. (Ek 25:37, 38; 37:23; No 4:9; 1Mp 7:48, 49; 2Ta 4:19-21) Melkahayim, avy amin’ny fototeny midika hoe “maka”, no teny hebreo ilazana ny fihazonana lahin-jiro. Milaza zavatra mandeha tsiroaroa io teny io. Mety ho nisy tahony roa àry ilay fitaovana. Ilazana ny “tandra” nakan’ny serafima vainafo teo amin’ny alitara koa ny hoe melkahayim.—Is 6:6.
Samy hafa ny “fihazonana lahin-jiro” sy ny “famonoan-jiro” nampiasaina tao amin’ny tempoly. (1Mp 7:49, 50; 2Ta 4:21, 22) Tsy resahin’ny Baiboly ny bikabikany, nefa mety ho karazana tandra nitazonana lahin-jiro efa may ny fihazonana lahin-jiro, fa mety ho karazana hety nanapahana an’ilay izy kosa ny famonoan-jiro. Notazonina tamin’ilay fihazonana azy ny lahin-jiro notapahina, ary avy eo napetraka teo amin’ny fitondrana afo, tao amin’ny tranolay masina, vao nariana.—Ek 37:23.