FITAOVANA
Malalaka be ny hevitry ny teny hebreo hoe keli, satria mety hidika hoe zavatra (Ge 24:53; Ek 3:22; Le 13:49, 52, 57-59; 15:4), fitaovana (Ge 27:3; 49:5; Ek 25:39; 27:3, 19; 30:27, 28; 31:7-9), fananana (Ge 31:37; 45:20), gony (Ge 42:25; 43:11), zavamaneno (1Ta 15:16), kojakoja (Ek 25:9), vilany (Le 6:28), fitoeran-javatra (Le 11:32-34), fitafiana (De 22:5), fiadiana (Mpts 9:54; 18:11, 16, 17), entana (1Sa 10:22; 17:22), kitapo (1Sa 17:40, 49), tena (1Sa 21:5), ary fiasana (1Mp 6:7).
Ilazana ny fitaovana samihafa nampiasaina tao amin’ny toerana masina ny hoe keli matetika, toy ny vilia, zinga, lapelina, vilia baolina, fitrebika, fitondrana afo, famonoan-jiro, fihazonana lahin-jiro, koveta, ary kaopy. (Ek 25:29, 30, 39; 27:3, 19; 37:16, 23; 38:3; 1Mp 7:40-50; 2Ta 4:11-22) “Masina” àry ireo fitaovana ireo. (1Mp 8:4) Nalain’i Nebokadnezara Mpanjaka tany Jerosalema ireo fitaovana masina, nefa nentin’ny Jiosy niala tany Babylona tamin’ny 537 T.K. Tsy maintsy nadio teo amin’ny lafiny ara-panahy sy nadio fitondran-tena àry ireo Jiosy ireo, araka izao baiko izao: “Mialà, mialà, mivoaha avy ao [Babylona], ary aza mikasika an’izay maloto! Mivoaha avy ao aminy, ary aoka hadio ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah.” (Is 52:11) Tsy hoe nadio ivelany araka izay notakin’ny Lalàna fotsiny izy ireo, fa tokony hadio fo koa. Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina ny Isaia 52:11. Nilaza izy fa tokony ho afaka amin’izay mandoto ny nofo sy ny saina koa izy ireo.—2Ko 6:14-18; 7:1.
Modelintsika i Jesosy Kristy izay namorona ny Fivavahana Kristianina. Izy mantsy “tsy mivadika, tso-po, tsy misy loto, [ary] tafasaraka amin’ny mpanota.” (He 7:26) Nafana fo koa izy teto an-tany niaro ny fahamasinan’ny tempolin’i Jehovah, satria indroa izy no nandroaka an’ireo mpivarotra tao. (Jn 2:13-25; Mt 21:12, 13; Mr 11:15-17; Lk 19:45, 46) Tamin’izy nandroaka azy ireo fanindroany, dia “tsy nisy navelany hitondra entana hanivaka teo amin’ny tempoly.” (Mr 11:16) Masina ny tokotanin’ny tempoly, ka tsy navelany hanao hitsin-dalana teo amin’izy io ireo nitondra entana nankany amin’ny faritra hafa tao Jerosalema.