SOREKA, LOHASAHA FALEHAN-DRIAKAN’I
(Sorèka).
Toerana nisy ny tanàna niavian’i Delila. Tao i Samsona no voafitaka hilaza ny antony nahatonga azy hanana hery lehibe, ka nosamborin’ny Filistinina izy, nataony lasa jamba, ary nampidiriny am-ponja. (Mpts 16:4-21) Misy milaza an’i Soreka ho ny Lohasaha Falehan-driaka es-Sarar (Nahal Sorek), izay mamakivaky an’i Sefela miankandrefana mankany amin’ny Ranomasina Mediterane. Midika hoe “Voaloboka Mena Karazany Tsara” ny hoe Soreka, ary toa mbola ahitana an’io anarana io ao amin’ny hoe Kirbet Sorika, tokotokony ho 25 km any andrefan’i Jerosalema, eo amin’ny sisiny avaratra amin’ilay lohasaha falehan-driaka ary mifanatrika amin’i Beti-semesy. Mety tsara amin’ny fambolena voaloboka ny ankabeazan’iny faritra iny, na dia ankehitriny aza (mety ho avy amin’izany ilay anarany). Azo inoana fa tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka no lalan’ilay sarety nitondra ny Vata misy ny fifanekena rehefa naverin’ny Filistinina tamin’ny Israelita ilay Vata. Niainga tao Ekrona ilay sarety ary nanaraka ny lalana nankany Beti-semesy.—1Sa 5:10; 6:10-12.