FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tamoza, I”
  • Tamoza, I

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tamoza, I
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tamoza, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpanjakavavin’ny Lanitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Jereo ny Zavatra Ratsy sy Maharikoriko Ataon’izy Ireo”
    Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
  • Fizarana faha-2: 2369-1943 al. f. ir. — Mpihaza iray sy tilikambo iray ary ianao!
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tamoza, I”

TAMOZA, I

(Tamòza).

Andriamanitra nitomanian’ireo vehivavy hebreo nivadi-pinoana tany Jerosalema, tamin’ny taona fahenina (612 T.K.) nanaovana sesitany an’i Ezekiela mpaminany.​—Ezk 8:1, 3, 14.

I Domozy no iantsoana an’i Tamoza ao amin’ny asa soratra somerianina, ary vady na sakaizan’i Inanna (Ishtar babylonianina) andriamanibavin’ny fahavokarana izy. Mety ho mpanjaka i Tamoza taloha, fa natao andriamanitra rehefa maty. I Domozy no niantsoana an’ireo mpanjakan’i Somera, araka ny asa soratra somerianina izay toa nosoratana tamin’ny taonjato faha-18 T.K.

Hoy i D. Wolkstein sy S. Kramer momba an’i Tamoza: “Maromaro ihany ireo ‘andriamanitra maty’ tany Somera fahiny, fa i Domozy na ilay antsoin’ny Baiboly hoe Tamoza no tena be mpahalala. Mbola nitomany azy ny vehivavy tany Jerosalema tamin’ny andron’i Ezekiela mpaminany. Mpitondra somerianina mety maty i Domozy andriamanitra, tany am-boalohany. Nisy vokany lalina teo amin’ireo filozofa sy mpanoratra angano somerianina ny fiainany sy ny fahafatesany.” (Inanna, Mpanjakavavin’ny Lanitra sy ny Tany, New York, 1983, p. 124) Hoy koa i O. Gurney: “Lehilahy mpanjakan’i Ereka i Domozy, tany am-boalohany ... Olona tokoa izy satria misy angano milaza fa niteny toy izao tamin’i Inanna izy: ‘Hoentiko any an-tranon’andriamanitro ianao.’ Tsy hilaza zavatra hoatran’izany mihitsy raha andriamanitra.”​—Gazety Mandalina ny Fiteny Semitika, Boky Faha-7, 1962, p. 150-152.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara