FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tiraka”
  • Tiraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tiraka
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Esara-hadona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Sankeriba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Asyria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Libna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tiraka”

TIRAKA

(Tiràka).

Maro no mihevitra fa i Farao Taharka izy io, na dia tsy mitovy amin’izay nolazain’ny Baiboly aza ny nolazain’ny mpahay tantara ankehitriny ny amin’ny fotoana nanjakany. (Mba hahitana porofo fa marina izay nolazain’ny Baiboly, dia jereo FANISAN-TAONA [Fanisan-taonan’ny Baiboly sy ny Tantara Tsy Ara-pivavahana].) Niady tamin’ny tanànan’i Libna i Sankeriba, mpanjaka asyrianina, tamin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia. Tamin’izay no nisy nilaza tamin’i Sankeriba fa efa teny an-dalana hiady tamin’ny Asyrianina i Tiraka, ilay Etiopianina mpanjakan’i Ejipta. (2Mp 19:8, 9; Is 37:8, 9) Misy soratra asyrianina milaza fa resin’i Sankeriba ny tafika ejipsianina, ary azony babo “ny mpitondra kalesin’ilay mpanjakan’i Etiopia”, na dia tsy hita eo amin’ilay soratra aza ny hoe Tiraka. Nirehareha ny amin’ny nandreseny an’i Ejipta koa i Esara-hadona, mpanjaka nandimby an’i Sankeriba. Hoy izy: “Notifiriko indimy tamin’ny zana-tsipìka i Tiraka mpanjakany ka naratra, ary lasa teo ambany fifehezako ny taniny manontolo.” Nikomy tamin’i Asyria i Tiraka rehefa i Asorobanipala, zanak’i Esara-hadona, no nitondra. Hoy anefa i Asorobanipala: ‘Natahotra loatra an’ilay fiadiana masin’i Asoro tompoko i Tiraka tany amin’izay toerana niafenany tany, ka tsy re intsony ny momba azy.’​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 287, 288, 290, 295.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara