FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Zora”
  • Zora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Kosby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zimry
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Midianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Finehasa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Zora”

ZORA

(Zòra)

[1, 2: Vatolampy]

1. Iray amin’ireo dimy lahy mpanjakan’ny Midianina, taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Mpiadidy koa i Zora, ary “lehibem-poko teo amin’ny fianakaviambe iray” sady “andrianan’i Sihona.” Zanany i Kosby, ilay vehivavy midianita nijangajanga tamin’i Zimry ka novonoin’i Finehasa. Novonoina koa i Zora, rehefa nofaizin’ny Israelita ny Midianina noho izy ireo nitaona ny lehilahy israelita haloto fitondran-tena sy hanompo sampy.​—No 25:14-18; 31:1, 2, 7, 8; Js 13:21.

2. Benjamita, zanakalahin’i Jeiela sady rahalahin’i Nera, raiben’i Saoly.​—1Ta 8:29, 30; 9:35, 36, 39.

3. Tanàna tany Sefela nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 33) Teo amin’ny sisin-tanin’ny faritanin’i Dana sy Joda no nisy azy io, ary ny Danita no nonina tao. (Js 19:41, 48; Mpts 18:2, 8, 11) Tao Zora i Samsona Danita no teraka, ary teny akaiky teny izy no nalevina. (Mpts 13:2, 24, 25; 16:31) Nohamafisin’i Rehoboama Mpanjaka ilay tanàna, satria 25 km teo ho eo monja tany andrefan’i Jerosalema no nisy azy. (2Ta 11:5, 10) Niverina nonina tao Zora ny sasany tamin’ny taranak’i Joda rehefa avy natao sesitany tany Babylona. (Ne 11:25, 29) Misy mihevitra azy io ho Sarʽah (Tel Zorʽa), eo amin’ny ilany avaratr’ilay toerana lazaina fa Lohasahan’i Soreka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara