FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 120-123
  • Ahoana no fandraisanao ny tsy firaikana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no fandraisanao ny tsy firaikana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsapa ny asan’ny Teny
  • Ohatra iray mampiseho ny asan’ny Tenin’Andriamanitra
  • Asa fampisarahana
  • Ahoana no handresena ny tsy firaikana
  • Inona no Ataonao Manoloana ny Tsy Firaikana?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Fomba Fihazonana Fifaliana ao Amin’ny Fanompoana Manontolo Andro
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 120-123

Ahoana no fandraisanao ny tsy firaikana

NY TSY fahatakaran’ny olona ny fihevitry ny tena no anankiray amin’ny zavatra sarotra zakaina indrindra. Mahakivy koa ny mahita olona iray tsy miraika rehefa miresaka aminy isika. Diso fanantenana isika tsy afaka nilaza taminy, hevitra ataontsika fa zava-dehibe tokoa ho azy angamba.

Tsapan’ny vavolombelon’i Jehovah fa miha-tsy miraika hatrany ny olona, na mikasika ny Baiboly na amin’ny zavatra hafa rehetra mikasika ny fitondrantenany na amin’ny fanantenany hahita fiorenan’ny toe-piainana tsaratsara kokoa eo amin’izao tontolo izao. Raha ny marina dia maro no tsy te-hieritreritra akory, raha tsy mitondra tombontsoa ara-nofo avy hatrany ho azy izany. Olona an’arivony maro no kivy tanteraka, sasatra ny mihaino — heveriny fa tsy ilaina tanteraka izany.

Nahoana no misy izany tsy firaikan’ny ankapoben’olona izany? Misy anton-javatra maro amin’izany. Ny anankiray dia ny tsy fahombiazan’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Tsy nitondra firaisan-tsaina sy fandriampahalemana ireo Fiangonana. Notohanany kosa aza ireo ady nitondra fandravana indrindra teto an-tany. Etsy andaniny koa, ny olona amin’ny ankapobeny dia tsy matoky mihitsy an’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao; tsy mino ny fampanantenana na ataon’ iza na ataon’iza àry izy ireny.

Ankoatr’izany, saika ny olona rehetra dia sahirana aoka izany. Any amin’ireo firenena atao hoe “mandroso” indrindra, ny olona dia tafalatsaka ao anatin’ny fandaharana misy zavatra maro loha maka ny fotoanany re­hetra. Mazava ho azy fa raha fantany ny maha-zava-dehibe ny Baiboly ka takany fa manana fikasana ny hanafaka ny olombelona tokoa Andriamanitra, dia ho nilainy ny za­vatra sasany mba hahazoana fahalalana tsara kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly. Ny ankamaroany anefa dia tsy manana ny fampihetsehana ara-panahy izay hitarika azy ireny hanao ny fiezahana ilaina. Nilaza ny antony Jesosy Kristy raha nanambara ny amin’ny ‘’fifaranan’ny fandehan-javatra” tamin’ny filazana fa “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro [milaza fa kristiana] [an’Andriamanitra]”.—Matio 24:3, 12, MN.

Moa ve ianao anisan’ireo mandray anjara amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” amin’izao andro farany izao? Raha izany no izy, noho ny fahafantaranao ny anton’ny tarehin-javatra ankehitriny, dia tsy tokony ho kivy ianao. Tokony hangoraka ny mpiara-belona aminao kosa aza ianao, sahala amin’i Jesosy (Matio 9:36). Tsy nanaiky ny fampianaran’i Kristy akory ny ankamaroan’olona; tsy takany ny hevitr’izany. Manome ohatra tokony harahina ho antsika anefa ny famindrampo sy ny fanehoam-pitiavana nasehon’i Jesosy tamin’izy ireny.

Eritrereto koa ny faharipon’i Jehovah Andriamanitra. Azony natao ny nandrava avy hatrany ny fandehan-javatra ankehitriny izay tsy mitsahatra ny manala baraka azy. Leferiny anefa izany toe-javatra izany, satria “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (II Petera 3:9). Tsy very maina foana akory ny faharipony, satria isan-taona dia olona an’arivony maro no tonga vavolombelon’i Jehovah.

Tsapa ny asan’ny Teny

Ankoatr’izany dia hevero ny herin’ny hafatra entinao ho an’ny olona. Tsy mba zava-poana toy ny fampielezan-kevitra eo amin’izao tontolo izao akory ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra. “Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12). Raha ny marina, ny Tenin’Andriamanitra dia “manindrona” sy mampiharihary ny tena toe-tsain’ilay olona sy izay tena maha-izy azy tokoa eo amin’ny fomba fiainany, — ny ‘fanahiny’ manontolo, — ny fitondrantenany ivelany.

Noho izany, rehefa milaza ny teny fahamarinana amin’olona ianao, dia manomboka miasa ao aminy izany ary miteraka vokany. Miresaha amin’ireo tonga vavolombelon’i Je­hovah amin’izao fotoana izao ary mariho ny hoe firy tamin’izy ireo no nahare fitenenana ny amin’ny fahamarinana tamin’ny andron’ny fahatanorany na indraindray, ka tsy niala tao am-pony mihitsy izany. Raha efa izany, taty aoriana, tamin’ny fotoana iray, noho ny fony vonona ny hamaly, dia nampitsiry ny voan’ny fahamarinana natory hatramin’ny elabe Jehovah, ka tonga mpanompony nanolo-tena sy vita batisa izy ireny.

Ohatra iray mampiseho ny asan’ny Tenin’Andriamanitra

Mikasika izany, dia aoka horaisintsika ho ohatra izay nitranga tamin’ny mpivady tany Indonésie, mpikambana be fandavan-tena tao amin’ny Fiangonana iray ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nitsidika an’ireo mpivady ireo ny vavolombelon’i Jehovah iray ka nametraka taminy ny boky hoe ‘Choses dans lesquelles il est impossible à Dieu de mentir’. Nanao fiverenana mitsidika vitsivitsy izy, nefa tojo fanoherana mafy avy amin’ny pretra iray. Tamin’ny farany ireo mpivady ireo dia nanambara ny fanapahan-keviny hamarana ny fifanakalozan-kevitra araka ny Baiboly nataon’izy ireo.

Rehefa afaka dimy taona too ho eo taty aoriana, dia sendra tao amin’ny fiaramanidina iray nitondra antokona vavolombelon’i Je­hovah avy amin’ny firenena samihafa hamonjy fivoriambe ireo mpivady ireo. Nipetraka teo anilan’ireo mpivady ireo ny vavolombelona roa ka nanomboka niresaka ny amin’ny tarehin-javatra maneran-tany sy ny amin’ny Baiboly. Avy hatrany ireo mpivady indoneziana ireo dia nihaino tamim-pahalianana. Ankoatr’izany dia voamarik’izy ireo ny fitondrantena tsara sy ny fahasambaran’ireo vavolombelona ary ny fitiavana amim-pahatsorana sy ny firahalahiana tsy misy fihatsarambelatsihy nanjaka teo amin’izy ireo, na toy inona na toy inona volon-kodiny.

Rehefa niverina tany Indonésie izy mivady dia notsidihin’ny vavolombelon’i Jehovah indray. Avy hatrany izy ireo dia nanao fandaharana mba hianatra ny Baiboly tany an-tokantranony ary nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny vavolombelona tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Isan’andro izy ireo dia niara-nianatra irery ny tapany amin’ny Baiboly tamin’ny fampiasana ny Annuaire des témoins de Jehovah. Tamin’ny taratasy nalefany ho an’ireo vavolombelona tafahaona taminy tany anaty fiaramanidina, dia naneho ny fankasitrahany an’i Jehovah izy ireo noho ny nanaovany izay hifampikasohany indray amin’ny vavolombelony.

Asa fampisarahana

Ny fanambarana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana’’ àry dia mampiharihary izay ao am-pon’ny olona. Hitan’Andriamanitra ny fomba fandraisany izany sy fanampiany ny olona tso-po hivoaka amin’ny tsy firaikany noho ny fitiavana azy sy ny rariny. Izany dia miteraka fampisarahana, ka manohana na manohitra ny Fanjakana eny olona. — Lioka 11:23.

Antenaintsika anefa ny ankamaroan’olona handray araka ny fomba nambaran’i Jesosy, dia izao: “Nihinana izy, nisotro izy, nividy izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; fa tamin’ny andro izay nivoahan’i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.” — Lioka 17:28-30.

Ahoana no handresena ny tsy firaikana

Amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah anao, inona no azonao atao eo anoloan’ny tsy firaikana amin’ny ankapobeny? Tsy tokony ho kivy ianao fa manana ny toe-tsaina be fahari-po toy ny an’Andriamanitra. “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika”. — Galatiana 6:9.

Ny fitoriana isam-baravarana no anankiray amin’ny zavatra “tsara dia tsara” tokony hatao. Afaka manatsara ny vokatra azo avy aminy ianao amin’ny famakafakana ny anton’ny tsy firaikan’ny olona ao amin’ny faritaninao. Raha tsy mahomby amin’ny fitarihan-dresaka amin’ny olona iray ianao, dia ovay ny fomba. Indraindray dia tsara ny hiverenana amin’ny fotoana hafa na amin’ny andro hafa iray ao anatin’ny herinandro. Ankoatr’izany dia ho azonao atao ny hanandrana hanolotra boky iray na gazety amin’ny alalan’ny toriteny kely atao ao anatin’ny telopolo segondra. Rehefa mahita anao manatona ny olona dia manahy mafy angamba izy sao misy fifanakalozan-kevitra lava heveriny fa tsy hananany fotoana hatokana ho amin’izany. Mety hanaitra azy amim-pahafinaretana ny fampisehoana fohy dia fohy.

Olona marobe anefa no tsy haneho tsy fi­raikana eo anoloanao mihitsy raha takany tokoa ny zava-kendrena amin’ny fitsidihanao. Ny ankamaroany amin’ny ankapobeny dia tsy mahalala ny zava-kendren’ny vavolombelon’i Jehovah. Hihevitra anao ho olona mirehitra tsy amin’ny antony na manana hevitra tafahoatra ny mety angamba izy. Misy hafa koa mety hihevitra ny asanao ho ‘fivavahana vaovao fotsiny’, na hino fa mivaro-boky ianao na maka olona ho mpanaraka ny fivavahanao. Ho azonao atao ny hiezaka hitari-dresaka amin’ny filazana fa ny fitiava-namana, za­vatra tsy fahita firy amin’izao andro izao no manosika anao ho tonga eo am-baravarany, ary mila fanampiana sy fahatakarana ny fiheviny ny olona. Hazavao rehefa avy eo ny fomba azo anampiana azy ireny. Tsy ho afaka hanome fanazavana feno ianao amin’ny voalohany, nefa noho ny fiverenana mitsidika hataonao mandritra ny fotoana kelikely, amin’ny farany ny olona dia hahalala anao ary ho hitany fa tsy manana zava-kendrena ara-politika na ara-barotra mihitsy ianao, fa miezaka amim-pahatsorana hanampy azy ireny. Arakaraka ny hahitanao fahalianana sy hitarihanao fampianarana ny Baiboly angamba, izay ataonao sy izay amporisihanao ny olona hatao, dia ho fantatra bebe kokoa ihany manodidina anao. Amin’ny farany ny olona mahitsy dia ho hita sy hampianao na ny vavolombelona hafa.

Araka izany ary, na milaza tsara na milaza ratsy anao ny olona, na maneho tsy firaikana fotsiny, dia mitoria hatrany. Tano amin’ny ambaratonga ambony ny fahasalamanao ara-panahy noho ny fianarana betsaka kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Fenoy ny fahamarinana ny sainao, dia hipololotra avy eo amin’ny vavanao izany. Toy ny afo tao amin’ny taolan’i Jeremia izy ka tsy azony notanana (Jeremia 20:9). Izao no nolazain’i Jesosy: “Ny mpanora-dalàna [mpampianatra ny vahoaka, MN] rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela.” (Matio 13:52). Ampahafantaro ny zavatra tsara ha­trany ny olona. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Jeremia: ‘’Lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra [aza kivy, araka ny ho azo anampy] ireo (...). Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra.’’ — Jeremia 1:17, 18.

Nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ilay olon-kendry nanoratra ny Mpitoriteny ka izao no nosoratany: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.” (Mpitoriteny 11:6). Aza hadinoina fa Andriamanitra no mampitombo ny voa afafy. Etsy andaniny koa dia miova ny toe-javatra. Amin’izany, eo amin’izay toa tsy nahitana vokany mihitsy, dia olona marobe no naneho fankafizana tampoka ny fahamarinana. — I Korintiana 3:6, 7.

Hevero koa ny soa nataon’ireo mpaminany fahizay. Tsy vitan’ny hoe nisy vokany lehibe tamin’ny fotoana naminaniany ny teniny, fa vao mainka lehibe kokoa ny vokany amin’izao andro izao. Toy izany koa, ny fitorianao dia mety hisy vokany mihoatra noho ny faniriana maminao indrindra, amin’ny fanampiana amin’ny fomba samihafa, ny olon-kafa marobe hahazo ny fiainana mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — I Timoty 4:16; Jakoba 5:10, 11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara