FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/97 p. 1
  • Inona no Ataonao Manoloana ny Tsy Firaikana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Ataonao Manoloana ny Tsy Firaikana?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no fandraisanao ny tsy firaikana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Aoka isika hitandrina mandrakariva ny fampianarantsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Tsy Mahaliana Ahy Izany”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fampidiran-dresaka Mandaitra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 10/97 p. 1

Inona no Ataonao Manoloana ny Tsy Firaikana?

1 Ny tsy firaikana dia ny tsy fahampian’ny fihetseham-po na ny toe-po, tsy fisian’ny fahalianana na ny fiheverana. Io no iray amin’ireo fihetsika fahita kokoa sy sarotra kokoa atrehintsika eny amin’ny fanompoana. Inona no ataonao manoloana azy io? Nahatonga anao hampiadana ny fanompoanao ve izany? Ahoana no ahafahanao mandresy izany mba hahatonga anao ho afaka hanatratra ny olona amin’ny alalan’ny hafatra momba ilay Fanjakana?

2 Voalohany, dia fantaro ny antony mahatonga ireo olona ao amin’ny faritaninao tsy hiraika. Moa ve izany noho izy ireo diso fanantenana tamin’ireo mpitondra azy ireo ara-politika sy ara-pivavahana? Moa ve izy ireo mihevitra fa tsy misy vahaolana ho an’ny zava-manahirana azy ireo? Moa ve izy ireo be fisalasalana ny amin’ny fampanantenana zavatra tsara kokoa? Moa ve izy ireo tsy vonona hihevitra ny zavatra ara-panahy raha tsy mahita avy hatrany tombontsoa azo tsapain-tanana?

3 Asongadino ny fanantenana momba ilay Fanjakana: Tsy misy zava-manahirana izay tsy ho voalamin’ilay Fanjakana. Koa rehefa afaka manao izany àry isika, dia tokony hiresaka momba ireo fampanantenan’ilay Fanjakana, amin’ny fanisiana firesahana ireo filazana lehibe araka ny Soratra Masina, na dia tsy azontsika atao na tsy mety amin’ny tarehin-javatra aza ny mampiseho andininy avy ao amin’ny Baiboly. (Heb. 4:12). Kanefa, ahoana ho ahafahantsika mitarika ny dinidinika ho amin’izany resaka izany?

4 Mila ny mahafantatra ny zava-kendren’ny fitsidihantsika ny olona. Mila ny mahatakatra izy ireo fa eo isika noho ny fitiava-namana sy ny fiahiana ny fiaraha-monina. Afaka mametraka fanontaniana nosaintsainina tsara isika, toy ny hoe: “Inona no heverinao fa fanafodin’ny [zava-manahirana iray mahakasika ny fiaraha-monina]?” Raha tsy mety ny fanombohan-dresaka iray, dia manandrama iray hafa.

5 Tany amin’ny faritany iray be mpanan-karena, izay nisian’ireo tompon-trano tsy niraika tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, ireo mpitory dia niezaka mafy hahita fampidiran-dresaka izay hanaitra ny fahalianana. Rehefa nampiseho ny boky Fahalalana ny mpivady iray, dia nanandrana itỳ fampidiran-dresaka itỳ: “Moa ve ianao mihevitra fa zava-dehibe ny fianarana tsara mba hahatafitana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? Manaiky ve ianao fa ny fianarana feno dia tokony hahafaoka ny fahalalana ny Baiboly?” Nandritra ny tapak’andro hariva, dia nahapetraka boky telo izy ireo, ka ny iray tamin’izany dia tamin’ny vehivavy iray izay nilaza tatỳ aoriana fa namaky ny boky Fahalalana iray manontolo izy, ary nanaiky fampianarana Baiboly.

6 Rehefa miatrika tsy firaikana ianao, dia manandrama fanombohan-dresaka hafa, mametraha fanontaniana mampieritreritra, ary ampiasao ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay ianao dia ho afaka hanampy ny hafa hanaiky ny fanantenana mahatalanjona momba ilay Fanjakana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara