FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 27-30
  • Ny fampisamboram-bola sy ny fitiavana kristiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fampisamboram-bola sy ny fitiavana kristiana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fandoavan-trosa
  • Ny fampisamborana misy zanany
  • Fahafahana hampiseho ny fitiavantsika
  • Fampisamboram-bola sy Fisamboram-bola eo Amin’ny Mpinamana
    Mifohaza!—1999
  • Fampisamboram-bola eo Amin’ny Samy Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Mampisambotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tokony Hisambo-bola Amin’ny Rahalahiko ve Aho?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 27-30

Ny fampisamboram-bola sy ny fitiavana kristiana

TSY ela izay, dia narary mafy ny zanakavavin’ny mpamboly iray. Nilana fitsaboana ny nahazo azy, nefa ilay lehilahy izay nahantra dia tsy afaka nitondra azy nankany amin’ny dokotera. Tao amin’ny tanànany, toy ny saika tany amin’ny hafa rehetra, dia misy mpampisambo-bola izay naka zanabola enina amin’ny dimy (izany hoe izay nisambotra 5 F dia tokony handoa enina). Avy hatrany ilay mpampisambotra dia nanome vola mihitsy an’ilay mpamboly, nefa ny volana nanaraka ilay mpamboly dia mazava ho azy fa tsy maintsy nanomboka nandoa ny zanabola.

Ahoana no fiheveranao ny karazam-pifanarahana toy izany? Hety amin’ny kristiana ve ny hampanjana-bola ao anatin’ny toe-javatra toy izany?

Nanambara tamin’ireo namany kristiana ny apostoly Jaona fa tsy tokony ‘hihirim-belona’ amin’ireo rahalahiny sahirana izy ireo (I Jaona 3:17). Nilaza mazava toy izao ny lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita: “Aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao, amin’ny rahalahinao malahelo; fa sokafy tsara aminy ny tànanao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.” — Deoteronomia 15:7, 8.

Tsara àry ny nanomezan’ilay mpampisambotra ny vola nilain’ilay mpamboly mba hitsaboana ny zanany vavy. Afaka nahazo ny fitsaboana nety ahay izy. Nilaza toy izao koa anefa ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Isiraely: “Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao hianao, dia tsy ho toy ny mpampanàna vola [mpaka zanabola tsy ara-dalàna, MN]; fa tsy hampandoa zana-bola azy hianao.” (Eksodosy 22:24). Nahoana ny Jiosy no tsy afaka nifampisambo-bola nisy zanany?

Aoka hotadidiantsika fa tamin’ny voalohany, dia Jiosy be dia be no mpamboly fa tsy mpanao raharaham-barotra. Matoa misambo-bola ny mpamboly iray niasa ny anjara lovany, dia azo inoana fa satria sahirana izy. Ny Lalàna dia nihevitra fa ilay mpisambotra dia “malahelo”. Angamba niharan’ny voina izy na ratsy ny vokatra azony. Nila vola foana izy mba hivelomana mandra-pahatongan’ny fijinjana manaraka. Izay ho nitaky zanabola tamin’ny toe-javatra toy izany dia ho nanararaotra ny nanjo ny rahalahiny. Tsy ho fanehoam-pitiavana izany. Nahazo izao baiko izao anefa ny Isiraelita: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” — Levitikosy 19:18.

Na dia tsy eo ambanin’io lalàna taloha io intsony aza ireo kristiana amin’izao androntsika izao, dia mbola manana adidy foana izy hifankatia. Izao no nolazain’i Jesosy: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Ny kristiana iray àry dia tsy tokony hanararaotra ny fahorian’ny rahalahiny amin’ny fitakiana zanabola aminy rehefa voatery misambo-bola izy.

Amin’ny fotoam-pitsapana, dia manao zavatra mihoatra noho ny fifampisamboram-bola aza ny kristiana; mifanolotra fanomezana izy. Tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, Paoly sy Barnabasy dia notendrena hitondra fanomezana avy amin’ny kristiana tany Azia minora ho an’ireo rahalahiny tany Jodia izay nijaly noho ny mosary (Asa. 11:29, 30). Amin’izao androntsika izao, dia zavatra toy izany no mitranga rehefa iharam-pahavoazana noho ny loza aman’antambo ny kristiana; mandefa fanomezana mba hanampiana azy ireny ireo rahalahiny.

Mitovy hevitra amin’izany ihany koa, dia manoro hevitra antsika toy izao Jesosy: “Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te-hisambotra aminao.” (Matio 5:42). Araka izany, ny kristiana iray dia hihevitra ny fahasahiranana mahazo vetivety ny rahalahiny ho toy ny fahafahana haneho fitiavana. Tokony hanampy ny rahalahiny araka izay rehetra azony atao izy ka tsy hisalasala hanome na hampisambotra tsy misy zanabola. Raha mampihatra an’ireo fotopoto-pitsipika ilay mpampisambo-bola voatonona eo ambony, dia azo antoka fa ho nanaraka an’io fihetsika farany io izy.

Ny fandoavan-trosa

Manana adidy koa ny mpisambotra. Nanao izao fananarana izao ho an’ny kristiana i Paoly: “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany”. (Romana 13:8). Araka izany, ny mpisambo-bola iray dia tokony hahatsapa fa tokony handoa ny trosany haingana araka izay farany azo atao izy. Tsy tokony hiteny anakampo izy fa noho ilay olona nitrosana manan-karena noho izy, dia tsy mila ny handoa ny trosany izy. Amin’izany fomba izany koa, ny kristiana dia tsy tokony hanantena fa ny rahalahy izay mpitsabo na mpisolovava angamba dia hiasa maimaimpoana ho azy.

Izao no nambaran’i Jesosy: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia”. (Matio 5:37). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny kristiana iray dia tokony hitana ny teny nataony. Raha misambo-bola izy ka mampanantena ny hamerina izany na raha manao trosa na inona na inona, dia tokony hanao izay rehetra azony atao izy mba handoavana ny trosany. Mba hanampiana azy amin’io lafiny io sy mba hahazoana antoka fa tsy misy tsy fahazoan-dresaka amin’ny andaniny sy ankilany, dia ho fahendrena ny hanaovana taratasim-panekena ilazana mazava ny vola nosamborina, ny fepetra amin’ny fandoavana azy, ets.

Ny fampisamborana misy zanany

Moa ve tsy fahampiam-pitiavana foana ny mitaky zanabola? Tsy voatery ho izany; aoka homarihintsika fa raha tsy afaka nangataka zanabola tamin’ireo rahalahiny isiraelita ny Jiosy, dia hafa noho izany ny amin’ny hafa firenena. Izao no nolazain’ny Lalàna: “Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra [ho azonao ampandoavina misy zanany, MN].” (Deoteronomia 23:21). Nahoana no misy izany tsy fitoviana izany? Satria azo inoana fa ilay hafa firenena dia ho mpanao raharaham-barotra ka tsy maintsy ho noho ny zava-kendrena ara-barotra no isamborana. Noho izany dia ara-dalàna tanteraka raha toa ny mpampisambotra ka mahazo anjara tombony amin’ny endriky ny zanabola.

Tsy nomelohin’i Jesosy ny fampisamboram-bola misy zanany, ary nasehony izany tao amin’ny anankiray tamin’ireo fanoharana nataony. Tsy tao nandritra ny fotoana kelikely ny andriandahy iray ka nanankina ny volany tamin’ireo mpanompony. Rehefa niverina izy, dia nampamoaka ary rehefa reny fa nampitombo ny vola ny ankamaroan’ireo mpanompo ary nahazo tombony, dia nidera azy ireo izy. Nisy mpanompo iray tsy nampiasa ny volany anefa ka noho izany dia tsy nanana tombony hatolotra mihitsy. Tsy napetrany tany amin’ny trano fametraham-bola akory aza ny volany (ka izany dia ho fampisamboram-bola nampiasaina amin’ny varotra), mba handraisana ny zanany any aoriana. Niteny an’io mpanompo io ilay tompo. — Lioka 19:11-24.

Ahoana no fitrangan-javatra amin’izao androntsika izao? Nisy vehivavy kristiana roa nifanao fanekena. Ny anankiray taminy dia tokony hampisambotra ny anankiray teo amin’ny 1000 ariary isan’andro. Hividy hanina ilay mpisambotra ka hivarotra izany indray any an-tsena, hany ka eo amin’ny faran’ny andro izy dia hahazo eo amin’ny 1250 ariary. Homeny an’ilay nampisambotra azy ny 1050 ariary ary hotanany ho an’ny tenany ny

200 ariary. Ao amin’io tany io, ny 200 ariary dia karama ara-dalàna ao anatin’ny indray andro iasana.

Tao amin’ny tany hafa iray, ny kristiana iray dia nitarika raharaham-baro-pianakaviana. Noho ny fandrosoana ara-teknolojika, dia takany fa tsy ho ela ny raharahany dia tsy haharaka ny fifaninanana intsony. Nanana fahafahana hitodika tany amin’ny sampan-draharaha hafa izy, nefa nila vola izy tamin’izany. Nisambotra ny vola nilaina tamin’ny namana kristiana iray izy ary nampanantena fa handoa zanabola sasany aminy isam-bolana.

Moa ve ny anankiray tamin’ireo fandaharana ireo nandika ny hevitry ny lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita, dia lalàna ny amin’ny tsy tokony hifampitakiana zanabola eo amin’izy samy izy? Tsy izany velively! Rehefa tsy sahirana ny olona iray fa maniry hisambo-bola (angamba noho ny antony ara-barotra), dia afaka mitaky zanabola ny mpampisambotra. Ohatrinona? Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia hiankina amin’ny karazam-pampisamborana, amin’ny fifanarahana nifanaovan’ny andaniny roa sy ny lalàn’ny tany. Ao amin’ilay toe-javatra voalohany vao avy notononintsika, ny fitakiana zanabola

5 isan-jato dia mety ho toa tafahoatra. Raha ny marina anefa, ilay mpisambotra dia nahazo tombony 25 isan-jato, ary faly izy nizara ny tapany tamin’io tombony io tamin’ilay mpisambotra.

Mazava ho azy fa raha misy zava-manahirana mitranga any aoriana, dia toa tsy mety ny hitarainan’ilay mpisambotra noho ny zanabola be loatra izay neken’ny tenany an-tsitrapo fony natao ny fifanarahana. Eto koa, dia fahendrena, mba hanalavirana izay rehetra mety ho fifandisoan-dresaka, ny manao an-tsoratra ny fepetra amin’ny fampisamborana.

Fahafahana hampiseho ny fitiavantsika

Rehefa mandeha tsy misy zava-manahirana ny fifanarahana toy ireo vao avy notononintsika, dia mitondra tombontsoa ho an’ny andaniny roa. Mivadibadika anefa izao tontolo izao iainantsika, ary matetika no ratsy ny fitrangan-javatra. Ohatra, inona no hitranga raha toa ilay vehivavy kristiana misambotra 1000 ariary isan’andro ka voan’ny halatra na tsy tanteraka ny volavolan-kevitr’ilay filohan’ny fiantohan-draharaha ka tsy afaka mandoa ny zanabola nampanantenaina izy?

Tsy manome fitsipika mihitsy ny Baiboly raha ny amin’ny fomba fandaminana zava-manahirana toy izany, nefa mbola manan-kery foana izao didy manaraka izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39). Raha toa ny tsirairay avy amin’ny andaniny roa ka mihevitra amim-pahatsorana ny tombontsoan’ny hafa ka manao zavatra amim-pahendrena azo ampiharina izy, amim-piheverana ny zavatra tena misy sy amin’ny fanekena izay rehetra mety ho fanoloran-kevitra tsara, mandrakariva ilay zava-manahirana dia ho azo alamina amin’ny fomba mahafapo.

Nananatra mafy an’ireo kristiana ny apostoly Paoly mba tsy hitory an’ireo rahalahiny amin’ny fitsarana noho ny antony ara-bola. Izao no nolazainy: “Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” — I Korintiana 6:7.

Ny mpitrosa kristiana izay “tsy tia harena maloto” dia tokony ho vonona ny handoa ny trosany (I Timoty 3:8). Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manonitra”. (Salamo 37:21). Na dia misy fahasahiranana tsy ampoizina mitranga aza, dia mbola tsy ho tian’ilay mpitrosa ihany ny halahatra ho anisan’ny “ratsy fanahy”. Ho tiany kokoa ny ho anisan’ireo ‘tsy hanana na inona na inona tsy voaloa’, afa-tsy ny fitiavana ihany (Romana 13:8). Tokony hanao zavatra amim-pahamarinana àry izy ka tsy hanandrana hanararaotra fandaharana ara-dalàna mba hialana amin’ny adidiny.

Etsy andaniny koa; ilay mpampisambotra dia tokony hihevitra ny zavatra tena misy ka hahatakatra fa miaraka amin’ny fisetran-javatra sasany foana ny fampisamboram-bola. Koa tsy tokony hampiharany fanerena tsy zaka ilay mpitrosa aminy. Mety tsy hanana intsony an’ilay vola nampisamborina ilay mpitrosa ka noho izany dia tsy afaka mamerina azy. Tamin’ny toe-javatra sahala amin’izany, dia kristiana maro no nampiseho fa tsy “tia vola” loatra izy, tamin’ny fampihemorana ny fotoana voatendry handoavana ny vola na tamin’ny fanekena handray ampahany antonony tamin’ny trosa (I Timoty 3:3). Ny sasany aza nanafoana ny trosa tsotra izao.

Nefa, rehefa resahina ny amin’ny zava-manahirana momba ny fisamborana dia mipetraka ny fanontaniana hoe: “Tena ilaina tokoa ve ny mampiasa io karazam-pifanarahana io? Tsy mandrara ny fampisamboram-bola akory ny Baiboly rehefa miharihary fa ilaina izany. Mahalana anefa no miseho izany. Matetika, ny “filan’ny maso” dia tafahoatra noho ny azon’ny poketra aloa, ary dia misambo-bola ny tena mba hividianana zavatra tsy dia ilaina (I Jaona 2:16). Amin’ny farany anefa dia tsy maintsy aloa foana ny trosa. Koa milaza tsy misy olakolaka amintsika toy izao ny Baiboly: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” — Ohabolana 22:7.

Na dia izany aza, rehefa misy kristiana voatery mampisambotra na misambotra, dia manana fahafahana tsara dia tsara izy amin’izany hampisehoana ny toetrany kristiana. Ohatra, ny faniriana amim-pahatsorana hanatanteraka ny adidin’ny tena, hihevitra lalina izay hahasoa ny hafa sy hanary ny fitiavam-bola dia hahatonga ny fifanarahana hatao ao anatin’ny fitiavana kristiana. Amin’izany ny kristiana dia hanaraka ny baiko ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana.” — I Korintiana 16:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara