FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w98 15/11 p. 24-27
  • Tokony Hisambo-bola Amin’ny Rahalahiko ve Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Hisambo-bola Amin’ny Rahalahiko ve Aho?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tombano ny vidiny
  • Hazavao ny antony ilana ilay vola
  • Ataovy an-tsoratra ilay izy
  • Mbà malimalina ihany amin’ny fampisamboram-bola
  • Diniho amim-pitandremana ny dianao
  • Fampisamboram-bola eo Amin’ny Samy Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Ny fampisamboram-bola sy ny fitiavana kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Fampisamboram-bola sy Fisamboram-bola eo Amin’ny Mpinamana
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
w98 15/11 p. 24-27

Tokony Hisambo-bola Amin’ny Rahalahiko ve Aho?

MARARY ny zanak’i Mosa farany ary mila fanafody maika. Tena mahantra anefa i Mosa ka tsy manam-bola hividianana fanafody. Inona no azony atao? Manam-bola kokoa noho izy ny namana kristianina iray antsoina hoe Seta. Angamba hampisambotra azy ilay vola ilainy i Seta. Ao am-pony ao anefa dia fantatr’i Mosa fa tsy azo inoana loatra ny hahafahany hamerina ny vola hosamboriny.a

Tojo safidy manahiran-tsaina i Seta rehefa nanatona azy i Mosa. Takatr’i Seta fa tena mila fanampiana i Mosa, saingy manahy izy sao dia tsy ho afaka hamerina ny vola i Mosa, satria na ny famelomany ny ankohonany fotsiny aza dia efa manahirana azy. Inona no tokony hataon’i Seta?

Any amin’ny tany maro, dia mety hamoy tampoka ny asa fivelomany ny olona, ary indro fa tsy manam-bola na tsy manana fiantohana mba hanonerana ny lany amin’ny fitsaboana. Mety ho tsy misy fampisamboram-bola avy amin’ny banky na misy ihany fa mihoa-pampana loatra ny zanabola. Mety ho toa ny fisamboram-bola no hany vahaolana rehefa misy zavatra ilaina maika. Misy raharaha lehibe sasany tokony hodinihina anefa alohan’ny hisamboram-bola.

Tombano ny vidiny

Manome toro lalana ho an’ny mpampisambotra sy ny mpisambotra ny Soratra Masina. Afaka misoroka tsy fifankahazoan-kevitra maro sy ratram-po isika, amin’ny fanarahana izany torohevitra izany.

Mampahatsiahy antsika, ohatra, ny Baiboly fa tsy tokony hohamaivanintsika ny raharaha mahakasika fisamboram-bola. Hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly an’ireo Kristianina tany Roma: “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.” (Romana 13:8). Raha ny tsara indrindra, dia ny fitiavana ihany no trosa tokony hananan’ny hafa amin’ny Kristianina iray. Noho izany, dia tokony hanontany tena aloha isika hoe: ‘Tena ilaina marina ve ilay fisamboram-bola?’

Raha eny no valiny, dia fahendrena ny handinihana ireo vokatra entin’ny hoe midi-trosa. Nasehon’i Jesosy Kristy fa mitaky fandinihana amim-pitandremana sy tetika maty paika ireo fanapahan-kevitra lehibe atao. Hoy ny fanontaniany tamin’ny mpianany: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” (Lioka 14:28). Mihatra io foto-pitsipika io rehefa mandinika ny hoe hisambo-bola amin’ny rahalahy iray sa tsia. Ny hoe mihevitra izay ho lany amin’ny fisamboram-bola dia midika ho fanombanana ny hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hamerenana azy.

Zon’ilay mpampisambotra ny mahafantatra hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hamerenana ny vola. Ho afaka hanome azy valiny voafaritra tsara isika rehefa mandanjalanja amim-pitandremana ilay raharaha. Efa notombanantsika ve ny ho sandan’ny famerenana ny vola ao anatin’ny fe-potoana antonony? Mazava ho azy fa ho mora kokoa ny hilaza toy izao amin’ny rahalahintsika: “Haveriko haingana araka izay azo atao ny volanao. Mahazo matoky ahy ianao e!” Tsy tokony hahay handray andraikitra kokoa ve anefa isika eo amin’ny fomba hitondrantsika ny raharaha toy izany? Tsy maintsy tapa-kevitra hatrany am-piandohana isika fa hamerina ilay vola satria izany no takin’i Jehovah amintsika. “Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manonitra”, hoy ny Salamo 37:21.

Rehefa manombana ny fomba sy ny fotoana hamerenantsika ilay vola isika, dia hampahatsiahy tena fa fifanekena lehibe no hataontsika. Azo inoana kokoa amin’izay fa tsy hidi-trosa tsy amin’antony isika. Misy tombony ho antsika raha azontsika atao ny misoroka ny fidirana amin’ny trosa. Hoy ny fampitandreman’ny Ohabolana 22:7: “Izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra.” Na dia mpirahalahy ara-panahy aza ilay misambotra sy ilay mampisambotra, dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fifandraisan’izy ireo ihany ny fifampisamboram-bola. Nanakorontana ny fiadanan’ny kôngregasiôna sasany mihitsy aza ny tsy fifankahazoan-kevitra mahakasika ny fifampisamboram-bola.

Hazavao ny antony ilana ilay vola

Ilay mpampisambotra dia manan-jo hahafantatra amin’ny ambangovangony izay hampiasana ilay vola samborina. Ankoatra an’io fisamboram-bola io, moa ve isika misambo-bola amin’ny hafa koa? Raha izany no izy, dia tokony hilaza izany mazava isika, satria misy akony eo amin’ny fahafahantsika hamerina ilay vola izany.

Zava-dehibe indrindra ny hanavahana ny atao hoe fisamboram-bola hanaovana raharaham-barotra sy ny fisamboram-bola mba hiatrehana tarehin-javatra sarotra ilana fanampiana maika. Tsy manana adidy araka ny Soratra Masina hampisambo-bola hanaovana raharaham-barotra ny rahalahy iray. Azo inoana anefa fa hirona hanampy izy raha toa ny rahalahy hafa iray ka tsy nanana fahadisoana akory nefa tojo tarehin-javatra sarotra, ka tsy afaka mandoa ny saran’ny zavatra tena ilaina toy ny sakafo, fitafiana, na ny fitsaboana tsy maintsy atao. Hanampy mba hisorohana tsy fifankahazoan-kevitra ny fahatsoram-po sy ny filazana ny marina amin’ireo raharaha ireo. — Efesiana 4:25.

Ataovy an-tsoratra ilay izy

Dingana iray tena lehibe ny fandraketana an-tsoratra ilay fifanekena, raha tiantsika ny hisoroka tsy fifankahazoan-kevitra amin’ny hoavy. Mora ny manadino ireo tsipiriany voafaritra tsara ao amin’ny fifanekena iray, raha tsy atao an-tsoratra ilay izy. Ilaintsika hosoratana ny hoe ohatrinona ny vola nosamborina ary rahoviana no hamerenana azy. Tsara raha miara-manao sonia an’ilay fifanekena ilay misambotra sy ilay mampisambotra, ka samy hihazona kopia iray. Milaza ny Baiboly fa tokony hanaovana taratasy ireo fifampiraharahana ara-bola. Taloha kelin’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, dia nasain’i Jehovah nividy tany tamin’ny iray tamin’ireo havany i Jeremia. Afaka mandray soa avy amin’ny fandinihana indray ny fomba nanaovana izany isika.

“Novidiko tamin’i Hanamela, zana-drahalahin’ikaky, ny saha izay tao Anatota”, hoy i Jeremia. “Ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ny folo. Ary nosoratako tamin’ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ny mizana ny vola. Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ny taratasy mivelatra koa; dia natolotro an’i Baroka, zanak’i Neria, zanak’i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, teo imason’i Hanamela, zana-drahalahin’ikaky, sy teo anatrehan’ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ny trano fiambenana.” (Jeremia 32:9-12). Marina aloha fa resaka fividianan-tany io ohatra etsy ambony io, fa tsy fisamboram-bola. Na izany aza anefa dia mampiseho izy io fa zava-dehibe ny hanaovana ny fifampiraharahana ara-bola amin’ny fomba mazava sy voafaritra tsara. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1973, pejy faha-729-730.

Raha misy zava-manahirana mipoitra, dia tokony hiezaka handamina izany mifanaraka amin’ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17 ny Kristianina. Hoy anefa ny tenin’ny loholona iray izay niezaka nitondra fanampiana tamin’ny raharaha toy izany: “Saika izy rehetra mihitsy no tsy nanaovana fifanekena an-tsoratra. Ny vokatr’izany dia tsy nifankahazo resaka tsara ny roa tonta mahakasika ny fomba tsy maintsy hamerenana ilay vola. Miaiky aho fa mari-pitiavana fa tsy hoe tsy fatokisana, ny fanaovana an-tsoratra ireny raharaha ireny.”

Raha vao nanao fifanekena isika, dia azo antoka fa tokony hiezaka mafy mba hitana ny teny nataontsika. Hoy ny fampirisihan’i Jesosy: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy.” (Matio 5:37). Raha misy zava-manahirana tsy nampoizina mahatonga antsika tsy ho afaka hamerina ara-potoana ilay vola, dia tokony hohazavaintsika avy hatrany amin’ilay nampisambotra ilay toe-javatra. Angamba hamela antsika hamerina ny vola tsikelikely mandritra ny fe-potoana lava kokoa izy.

Na izany aza anefa dia tsy manafaka antsika amin’ny andraikitsika ny tarehin-javatra ratsy misy antsika. Manao araka izay fara heriny mba hitana ny teny nataony ny olona iray matahotra an’i Jehovah. (Salamo 15:4). Na dia mety tsy handeha araka ny nanantenantsika azy aza ilay raharaha, dia tokony ho vonona hanao sorona isika mba handoavana ny trosantsika, satria andraikitsika izany noho isika Kristianina.

Mbà malimalina ihany amin’ny fampisamboram-bola

Mazava ho azy fa tsy ilay misambotra ihany no mila mandanjalanja amim-pitandremana ilay raharaha. Tsy maintsy mihevitra izay ho lany ihany koa ny rahalahy iray isamboram-bola. Alohan’ny hampisamboram-bola dia fahendrena aloha raha maka fotoana handinihana ilay raharaha isika, ka handinika izany amim-pitandremana sy araka ny tena zava-misy. Mampirisika ny hitandremana ny Baiboly rehefa milaza hoe: “Aza mety ho isan’izay mifandray tànana, na izay mianto-trosa”. — Ohabolana 22:26.

Alohan’ny hanaovana fifanekena, dia diniho izay mety hiseho raha tsy afaka mamerina ny volanao ilay rahalahy. Ho sahirana mafy ara-bola koa ve ny tenanao amin’izay? Na dia mety ho tsara fikasa toy inona aza ilay rahalahy, dia mety hiova ny tarehin-javatra, na mety ho diso ny tetika nataony. Mampahatsiahy antsika rehetra toy izao ny Jakoba 4:14: “Tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona.” — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 9:11.

Eo amin’ny fampisamboram-bola hanaovana raharaham-barotra indrindra no ho fahendrena ny handinihana ny lazan’ilay misambotra. Fantatra ho mendri-pitokisana sy azo ianteherana ve izy, sa tsy mahay mitantam-bola? Moa ve izy manana fironana hitety olona maro samihafa ao amin’ny kôngregasiôna mba hisamboram-bola? Fahendrena ny hitadidiana ireto teny ireto: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” — Ohabolana 14:15.

Indraindray dia mety ho tsy tena hahasoa an’ilay misambotra koa ny fisamboram-bola. Mety ho tonga enta-mavesatra ho azy mora foana izany, ka hanaisotra ny fifaliany. Irintsika ho tonga ‘mpanompontsika’ ve ilay rahalahy? Mety hisy akony eo amin’ny fifandraisanay ve ny fampisamboram-bola, ka hampisy disadisa na fahatsapana ho sakodiavatra mihitsy aza, raha tsy afaka mamerina ilay vola izy?

Raha tena mila fanampiana tokoa ny olona iray, moa ve azontsika heverina ny hanomezana azy vola ho fanomezana, toy izay hampisambotra azy, na dia mety ho kely kokoa aza amin’izay ny vola omentsika? Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba hananantsika fangorahana rehefa hitantsika ho tra-pahasahiranana ny rahalahintsika. “Ny marina (...) mamindra fo ka manome”, hoy ny hiran’ny mpanao salamo. (Salamo 37:21). Ny fitiavana no tokony hanosika antsika hanao izay azontsika atao mba hanomezana fanampiana azo tsapain-tanana ho an’ireo rahalahintsika mahantra. — Jakoba 2:15, 16.

Diniho amim-pitandremana ny dianao

Koa satria mety ho fototra ipoiran’ny tsy fifanarahana ny fisamboram-bola, dia tsy hihevitra ny hampiasa azy io isika raha tsy rehefa tsy misy mihitsy zavatra hafa azo atao. Tsy hihevitra azy io ho safidy iray tsy mampananosarotra kosa isika. Araka ny nomarihina tany aloha, dia tokony ho tsotra amin’ilay mampisambotra ilay misambotra, ka hanao an-tsoratra ny hoe amin’ny fomba ahoana sy rahoviana no hamerenana ny vola. Amin’ny toe-javatra isian’ny fahasahiranana marina, dia mety ho ny fanaovana fanomezana no vahaolana tsara indrindra.

Tsy nampisambotra ilay vola nangatahin’i Mosa i Seta. Nanome azy vola kely kokoa anefa izy, saingy nataony fanomezana. Velom-pankasitrahana noho izany fanampiana izany i Mosa satria nanampy azy handoa ny vidin’ny fanafodin-janany izany. Faly koa i Seta satria afaka nampiseho fitiavan-drahalahy tamin’ny fomba azo notsapain-tanana ny tenany. (Ohabolana 14:21; Asan’ny Apostoly 20:35). Na i Seta na i Mosa dia samy miandrandra fatratra ilay fotoana eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, satria “hamonjy ny mahantra mitaraina” i Kristy amin’io fotoana io ary tsy hisy olona hilaza hoe: “Marary aho”. (Salamo 72:12; Isaia 33:24). Mandra-pahatongan’izany, dia aoka isika handinika amim-pitandremana ny diantsika raha voatery hisambo-bola amin’ny rahalahy iray isika indray andro any.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Nosoloana ny anarana eto.

[Sary, pejy 25]

Mari-pitiavana, fa tsy hoe tsy fatokisana, ny fanaovana an-tsoratra ny fifanekena fifampisamboram-bola

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara