Fampisamboram-bola eo Amin’ny Samy Kristiana
MPINAMANA akaiky i Pedro sy i Carlos teo aloha.a Samy kristiana izy ireo tamin’izany, ary ny fianakavian’izy ireo matetika dia samy nankamamy ny fiarahana nafana tamin’izy samy izy. Noho izany, rehefa nila vola hampiasainy amin’ny raharaham-barony i Carlos dia tsy nisalasala i Pedro nanolo-tena ny hampisambotra izany azy. “Koa satria izahay mpinamana akaiky tamin’izany”, hoy ny fanazavan’i Pedro, “dia tsy nampaninona ahy izany.”
Roa volana monja tatỳ aoriana anefa, dia tsy nahomby ny raharaham-barotr’i Carlos ary nitsahatra ny famerenam-bola.b Gaga i Pedro rehefa nahalala fa hay i Carlos nampiasa ampahany betsaka tamin’ilay vola izay nampisamboriny azy mba handoavana trosa tsy nifandray tamin’ilay raharaham-barotra sy hoenti-nanana fomba fiaina nisy fandaniam-bola nihoa-pampana. Tsy nahazo fahafaham-po i Pedro tamin’ny fandaminana ilay raharaha na dia taorian’ny herintaona nitsidihana azy sy nanoratana taminy aza. Noho ny fahadisoam-panantenany dia nankany amin’ny manam-pahefana i Pedro ary nampiditra an’i Carlos — ilay namany sady rahalahiny kristiana — am-ponja. Izany ve no fihetsika mety tokony harahina? Izany no hojerentsika izao.
Ireo disadisa sy ireo fifandirana vokatry ny fampisamboram-bola dia anton’ny faharavam-pisakaizana mateti-pitranga eo amin’ny olona maneran-tany. Indraindray dia mety ho antony mampisy tsy fifanarahana na dia eo amin’ireo samy kristiana aza izany. Any amin’ny tany maro dia sarotra vao mahazo misambo-bola amin’ny banky, noho izany dia fanaon’ny olona izay mila vola ny manatona ireo havana aman-tsakaiza. Ny fanandraman-javatra mampalahelo hita teo amin’i Pedro sy i Carlos anefa dia mampiseho fa raha tsy arahin’ny mpampisambotra sy ny mpisambotra amim-pitandremana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia mety hipoitra ny zava-manahirana lehibe. Inona àry izany no fomba mety hikarakarana ny fangatahana fisamboram-bola amina namana kristiana iray?
Tombano ny vidin’ny fisamboram-bola
Tsy mampirisika ny fisamboram-bola tsy tena ilaina ny Baiboly. “Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany”, hoy ny fampirisihan’ny apostoly Paoly. (Romana 13:8). Noho izany, alohan’ny hidiran-trosa, dia tombano ny vidin’ny fanaovan-javatra toy izany. (Ampitahao amin’ny Lioka 14:28.) Tena ilaina ve ny hisamboram-bola? Moa ve izy io mahakasika ny fiatrehana ny fameloman-tena, izany hoe ny fiahiana ny ankohonanao? (1 Timoty 5:8). Sa misy ampahana fieremana tafiditra eo — angamba ny faniriana hiaina amin’ny fomba mirenty kokoa? — 1 Timoty 6:9, 10.
Ny anton-javatra hafa iray manana ny lanjany koa dia ny hoe moa ve ny fidirana amin’ny fitrosana hanery anao sa tsia, hiasa ora misimisy kokoa ary angamba hanao tsirambina ireo fivoriana sy ny fanompoana? Ankoatra izany, afaka tokoa ny hampiasa anjoanjo ny volan’olon-kafa ve ianao? Ahoana raha tsy mahomby ilay raharaham-barotra na ilay raharaha hafa? Tsarovy fa, “misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manonitra”. — Sal. 37:21.
‘Milazà ny marina’ amin’ireo mpampisambotra
Rehefa avy nihevitra ireo anton-javatra ireo ianao dia mety mbola hahatsapa ihany fa ilaina ny fisamboram-bola hanaovana raharaham-barotra. Raha toa ka tsy mety ho azo amin’ny alalan’ny fomba mahazatra izany, dia tsy voatery ho ratsy ny fanatonana namana kristiana iray satria mahazatra ny mitodika any amin’ireo namana amin’ny fotoana maha-sahirana, araka ny nomarihin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:5. Kanefa dia tokony hiezaka ‘hilaza ny marina’ ianao. (Efesiana 4:25). Amim-pahamarinana, dia hazavao ny zavatra tena misy rehetra voakasika amin’izany — anisan’izany ireo sampona mety hitranga, na dia ireo izay mety hoheverina ho tsy dia manao ahoana aza. Ary aza tafintohina raha toa ka manao fanontaniana mivantambantana maro ilay mety ho tonga mpampisambotra mba hahafahany hahazo antoka tsara fa araka ny tena izy ny fahatakarany ny toe-javatra.c
Moa ve milaza ny marina ny tena raha misambotra vola noho ny antony iray ary avy eo mampiasa io vola io ho amin-javatra hafa? Tsy izany velively. Manazava ny lehiben’ny banky amerikana latina iray hoe: “Ho nampitsahatra ny fampisamboram-bola anao ny banky, ary raha tsy efanao eo noho eo ny trosanao dia ho naka fahazoan-dalana avy amin’ny fitsarana izy mba hahafahany handray ny fanananao.” Raha nampisamborina ny vola tamin’ny fikendrena ny hampitombo ny fahazoana tombony avy amin’ny raharaha ara-barotra iray, ny fampiasana izany ho amin-java-kendrena hafa, raha ny marina, dia fanesorana amin’ilay mpampisambotra ny antoka fa ho voaloa ilay vola nosamborina. Marina aloha fa mety tsy hanahy ny amin’ireo famaliana araka ny lalàna isika rehefa misambotra amina namana kristiana. Na dia izany aza, “izay misambotra dia mpanompon’ny mampisambotra”, ary manana adidy ho marina aminy isika. — Ohabolana 22:7.
Fampiharana ny fitsipika volamena eo amin’ny raharaham-barotra
Nilaza i Jesosy hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Toy inona moa ny maha-lehibe ny herin’io fitsipika io rehefa mifampiraharaha amin’ny namana kristiana iray isika! Ohatra, ahoana no ho fihetsikao raha mandà ny fisamboram-bola nangatahinao ny rahalahy iray? Ho nahatsapa ve ianao fa namadika ny fisakaizanareo izy? Sa ho nohajainao kosa ny zony handa ny fanoloranao, tamin’ny fahatakarana fa mety ho tena ilainy ny volany na mety ho nanombana izy fa lehibe kokoa noho izay nanombananao azy ny sampona mety hitranga? Mety hisalasala amim-pahatsorana ny amin’ny fahaizanao mitantana amim-pahombiazana ny vola izy. Amin’izay lafiny izay, ny fandavany dia mety hahasoa sy hampiseho fitiavana. — Ohabolana 27:6.
Raha manaiky tokoa ny hampisambotra vola anao ny namana iray, dia tokony hotanana an-tsoratra ny antsipiriany, anisan’izany ny hoe ohatrinona no nampisamborina, hatokana hampiasaina amin’inona ilay vola, fananana inona no atao antoka amin’ilay fisamboram-bola, ary ny fomba sy ny fotoana hamerenana izany. Amin’ny tarehin-javatra sasany dia fahendrena mihitsy aza ny mangataka mpahay lalàna iray mba hanoratra na handinika ilay fifanekena ary hametraka izany ao amin’ny fitahirizan-taratasim-panjakana. Na manao ahoana na manao ahoana, rehefa voasonia ny fifanarahana iray, dia “aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia.” (Matio 5:37). Aza manararaotra ny hatsaram-panahin’ny namanao amin’ny tsy fandraisana ho zava-dehibe ny fanatontosana ny andraikitrao eo anatrehany toy izay ho nataonao teo anatrehan’ny banky.
Mpampisambo-bola malina
Ahoana raha toa ianao hatonina mba hisamboram-bola? Hiankina be dia be amin’ireo toe-javatra tafiditra izany. Ohatra, ny rahalahy kristiana iray, na dia tsy nisy fahadisoany manokana aza, dia mety ho latsaka ao anatin’ny fahavoazana ara-bola tanteraka. Raha manana fahafahana hanao izany ianao, ny fitiavana kristiana dia hanosika anao ‘hanome azy izay tandrifiny ho an’ny tenany.’ — Jakoba 2:15, 16.
Ho fisehoan’ny tsy fahampiam-pitiavana toy inona moa ny fanararaotana ny fahavoazan’ny rahalahy amin’ny fampandoavana azy zanabola amin’izany toe-javatra izany! Nampirisika i Jesosy hoe: “Tiavo hatrany ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy misy zanabola, aza manantena na inona na inona ho valiny.” — Lioka 6:35, MN; ampitahao amin’ny Levitikosy 25:35-38.
Ahoana anefa raha toa ianao ka nangatahina fotsiny hamatsy vola ny vinavinan-draharaha ara-barotra iray na hiantoka fisamboram-bola iray? Amin’ny ankapobeny, ny raharaha toy izany dia manakaiky indrindra ireo fampiasam-bola hahazoana tombony. Mampirisika mazava ny hitandremana ny Baiboly, amin’ny fananarana hoe: “Aza mety ho isan’ny mifandray tànana, na izay mianto-trosa.” — Ohabolana 22:26.
Amin’ny toe-javatra toy izany dia tsy maintsy mamantatra aloha ianao raha toa ka afaka tokoa hanome ilay vola ampiasaina. Hahatonga fahavoazana tena lehibe ara-bola ho anao ve raha toa ka tsy mahomby ilay raharaha ara-barotra, na tsy afaka mamerina ara-potoana ilay vola nosamborina ilay mpisambotra? Raha afaka manome ilay vola hosamborina natao hahazoana tombony ianao, dia manana zo koa hanana anjara amin’izany amin’ny fampandoavana zanabola amin’ny antonony amin’ilay vola nampisamborinao. (Ampitahao amin’ny Lioka 19:22, 23.) Mampitandrina ny Ohabolana 14:15 hoe: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Nisy mpanao raharaham-barotra sasany fantatra noho ny fahamalinany, nanao mosalahy rehefa nifampiraharaha tamina namana kristiana. Ny fanintonan’ny famerenam-bola misy zanabola midangana dia nitarika ny sasantsasany ho amin’ny fampiasam-bola tsy amim-pitandremana izay namoizan’izy ireo ny volany sy ny fisakaizany tamina namana kristiana.
Mahaliana ny mahafantatra fa matetika ireo filohan’ny banky no mihevitra anton-javatra telo eo amin’ny fanombanana ny mety ho maha-tsy azo antoka ny fisamboram-bola iray: 1) ny toeran’ilay olona mangataka ilay fisamboram-bola, 2) ny fahafahany hamerina ilay vola, ary 3) ny toe-javatra misongadina eo amin’ilay sehatr’asa misy azy. Moa ve tsy ho fanehoana “fahendrena azo ampiharina” raha toa ka manao fanombantombanana sahala amin’izany rehefa mihevitra ny hampisambotra ny vola nisasaranao mafy ianao? — Ohabolana 3:21.
Ohatra, manao ahoana ny lazan’ilay rahalahy mangataka ilay vola? Moa ve izy fantatra ho olona mendrika itokiana sy azo antoka sa kosa mpanao mosalahy sy mpivadibadika? (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:7.) Raha maniry hanitatra ny raharaham-barony izy, moa ve izy nitantana izany tamim-pahombiazana hatreo? (Lioka 16:10). Raha tsia no valiny, ny fanampiana azy hahay hitantana ny volany dia mety hahasoa kokoa amin’ny farany noho ny fampisamborana azy vola izay mety ho ratsy tantana.
Ny anton-javatra hafa iray dia ny fahafahan’ilay rahalahy hamerina ilay vola. Inona no fidiram-bolany? Manana trosa ve izy? Ara-drariny tsotra izao raha milaza ny marina aminao izy. Na dia izany aza, ny fitiavana kristiana dia tokony ho hita hatrany. Mety ianao ohatra haniry ny hisian’ny antoka ho an’ilay fisamboram-bola amin’ny alalan’ny fananan’ilay rahalahy azo amidy. Ny Lalàn’i Mosesy dia nanameloka ny fakana ny antom-piveloman’ny lehilahy iray na ireo fananana tena ilaina mba hatao antoka. (Deotoronomia 24:6, 10-12). Toy izany, ny rahalahy amerikana tatsimo iray izay mpandraharaha ara-barotra dia milaza fa hatramin’ny antsasaky ny totalim-bidin’ny fananan’ilay rahalahy azo amidy ihany no vola hampisamboriny. “Ary tsy heveriko ho toy ny fananana azo amidy ireo fitaovana entiny mivarotra na ny tranony”, hoy ny fanazavany. “Tsy iriko mihitsy ny handroaka ny rahalahiko hiala amin’ny tranony ary haka izany mba hiverenan’ny volako”.
Farany, dia tokony hihevitra araka ny tena izy ny toe-draharaha ara-barotra amin’ny ankapobeny eo amin’izay onenanao ianao. Miaina “amin’ny andro farany” isika, ary mandritra izany ny olona dia “ho tia tena, (...) mpamadika.” (2 Timoty 3:1-4). Raha mety ho marina ilay namanao, sady rahalahinao, ireo mpiombom-barotra aminy, sy ireo mpiasany, ary ireo mpifampiraharaha aminy dia mety tsy ho toy izany. Amin’ny maha-kristiana azy, dia tsy afaka ny hampiasa kolikoly na lainga izy — tetik’ady izay mety hampiasain’ireo mpifaninana aminy ho tombontsoan’izy ireo. Tokony hoheverina koa ny fandravana ateraky ny “fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11). Mety hihena tampoka ny vidin’entana. Mety hitondra fahavoazana tanteraka eo amin’ny raharaha ara-barotra iray ny fihazakazaky ny fidangan’ny vidim-piainana na hanafoana ny sandan’ny vola nampisamborinao izany. Ny halatra, ny loza, ny fanimban-javatra tsy amin’ny antony, ary ireo ratra koa dia zava-misy tsy mahafinaritra mitranga eo amin’ny raharaha ara-barotra. Tokony hihevitra ireny lafin-javatra rehetra ireny ianao rehefa manao ny fanapahan-kevitrao.
Tsy fahombiazana
Indraindray, na dia eo aza ny fitandremana rehetra, dia tsy afaka mamerina ny vola nosamboriny mihitsy ny kristiana iray. Ny Fitsipika volamena dia tokony hanosika azy hifampiresaka tsy tapaka amin’ilay olona nitrosany. Angamba fandoavam-bola kely fotsiny no azo atao mandritra ny fotoana sasany. Na dia izany aza, dia tsy tokony hihevitra ny kristiana iray fa ny fandoavany ampahany kely amin’ilay trosany dia manala tsiny azy tsy hanao sorona lehibe mba hanefany ilay trosa rehetra. (Salamo 15:4). Ny tompon-trosa iray kristiana koa dia manana adidy haneho fitiavana. Raha mahatsapa ho voambaka izy, dia afaka mampihatra ilay torohevitra ao amin’ny Matio 18:15-17.
Ny fitondrana ilay raharaha eo anatrehan’ireo manam-pahefana, toy izay nataon’i Pedro tao amin’ilay raharaha voalaza tetsy am-piandohana dia mahalana vao mety raha atao. Hoy ny apostoly Paoly: “Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? (...) Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny? Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza. Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo?” — 1 Korintiana 6:1-7.
Mety hisy toe-javatra sasantsasany — toy ireo izay mahatafiditra mpiombom-barotra tsy mpino, mpamatsy eo amin’izao tontolo izao, na raharaham-piantohana — izay toa mitaky fandaminana ara-pitsarana na amin’ny alalan’ny mpanao raharaha ara-panjakana iray. Kanefa amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny kristiana iray dia haniry kokoa ny hiharan’ny fahavoazana ara-bola toy izay hampitondra fahafaham-baraka ny kongregasiona noho ny fitoriany rahalahy iray tsy nahaloa ny trosany.
Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, ny vokatra mampahonena toy izany dia azo sorohina. Amin’ny fomba ahoana? Alohan’ny hampisamborana na hisamborana vola amina rahalahy, dia fantaro ireo zavatra mety hitranga. Manehoa fahamalinana sy fahendrena. Mihoatra noho ny zavatra rehetra, “izay rehetra ataonareo”, anisan’izany ireo fifampiraharahana ara-barotra, “dia ataovy amin’ny fitiavana.” — 1 Korintiana 16:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.
b Any amin’ny tany sasantsasany dia matetika no mbola miafara amin’ny fanaovana an-tranomaizina ny maha-bankirompitra sy ny tsy fahaloavana trosa.
c Ny sasany dia nisambotra vola kely tamina mpampisambotra maromaro. Ny mpampisambotra tsirairay avy, tsy mahafantatra tanteraka ilay toe-javatra manontolo, dia mety hihevitra fa ho afaka hamerina ny vola mora foana ilay mpisambotra.