Ireo gadran’ny finoanoampoana
MINOMINO foana ve ianao? Raha izany no izy dia tsy ianao irery no toy izany. Marina tokoa fa ny fandinihana iray dia nanisa finoanoampoana isan-karazany mihoatra ny efatra hetsy manerana izao tontolo izao. Raha hotely maro no tsy misy rihana fahatelo ambin’ny folo, raha misoroka araka izay farany azo atao ny mandalo eo ambany tohatra ny olona na ny mifanena amin’ny saka mainty, dia satria ny izao tontolo izao tandrefana dia feno finoanoampoana saro-pongorana. Mampisy hery fitaomana ratsy toy izany koa any Afrika ny finoanoampoana, araka ny porofoin’ity fitantarana manaraka ity:
Roapolo taona lasa izay dia maty ny vadin’i Wawa rehefa narary ela. Nandritra ireo telo andro nanaraka ny fahafatesany dia nijanona nivalampatra teo amin’ny tany i Wawa, nisentosento sy nitoloko teo akaikin’ny farafaran’ny vadiny, raha nitomany kosa ny olona am-polony maro, nigogogo, nandihy sy nisotro teo anilany mba hiandry ilay faty. Betsaka no variana loatra tamin’ilay fisaonana ka nanadino ny natory nandeha niasa. Fa nahoana àry? Satria naniry hampiseho amin’ny fanahin’ilay maty sy ny fianakaviany izy ireo fa namany.
Ny tahotra ireo maty
Ny andro fahatelo dia nentina ho any am-pasana ny faty ary nanaraka azy daholo ny rehetra. Rehefa avy napetraka tao am-pasana ny vatam-paty dia notsipazana vato sy baingan-tany teo amboniny. Nahoana? “Ho fanaovam-beloma ny fanahin’ny vadiko”, hoy ny nambaran’i Wawa anay. Avy eo, talohan’ny nanotofana ny lavaka, dia nianiana teo anatrehan’ny mpanatrika rehetra i Wawa fa nijanona ho nahatoky tamin’ny vadiny foana. “Raha tsy marina izany, hoy ny nambarany, dia aoka hamongotra ahy ny fanahiny!” Manomboka eo dia ho velona amin’ny fahatahorana ny fanahin’ny vadiny maty i Wawa.
Tsy nitsahatra ny nandrahona azy ny fianakaviam-badiny hoe: “Raha toa ianao manao zavatra kirikiri [“adaladalà” amin’ny teny “sango”], dia hiverina hamono anao ny fanahiny.” Mba hanehoany ny firaiketam-pony marina tamin’ny vadiny dia tsy nisasa tanteraka izy nandritra ny telo volana, tsy nitafy afa-tsy lamba tsotra ary natory teo amin’ny tsihy nivelatra teo amin’ny tany. Nino i Wawa fa nitsikilo izay rehetra nataony sy izay fihetsiny ny vadiny maty. Toa lasa fahavalony ratsy indrindra ilay lehilahy izay notiaviny fatratra.
Ny foko sasany dia mitaky amin’ilay vehivavy maty vady ny hanana foana antsy eny aminy mandritra ny fisaonana mba hiarovan-tena rehefa misy famelezana avy amin’ny fanahin’ny vadiny. Rehefa mandrehitra afo izy dia tsy tokony hijery izany fandrao hahita azy hiseho eo. Mifoha amin’ny telo na amin’ny efatra maraina izy mba hitomany sy higogogogo mba hanaporofoana fa tia azy foana. Isaky ny misakafo dia rosoiny voalohany indrindra izy amin’ny fanipazana sakafo eo amin’ny tany.
Rehefa tapitra ny telo volana, dia nentin’ny fianakaviam-badiny teo amoron’ny renirano akaiky indrindra i Wawa. Teo dia natsipy tao anaty rano izy. Nidika io fihetsika io fa nisaona araka izay tokony ho nety izy ary manomboka hatreo dia madio amin’izay mety ho fanahy ratsy rehetra. Araka ny filazan’ny sasany, io zavatra natao io dia nanondro koa fa tsy avy aminy no nahatonga ny fahafatesan’ny vadiny.
Fa nahoana anefa izy no maty?
Any amin’ny faritra iny, dia olona maro no mino fa tsy misy mihitsy ny fahafatesana araka ny natiora. Araka ny filazan’izy ireo, ny fahafatesana dia avy amin’ny ankasomparan’olombelona foana na avy amin’ny hery tsy fantatra. Izany no antony tsy nanampian’ny fianakaviam-badin’i Wawa azy handia io fisedrana io. Vao taorian’ny nahafatesan’ny vadiny dia nihiaka ny zandrin’io lahy hoe: “Nomenao ody fitia izy mba ho tia anao, nefa nataonao mahery loatra izany ka nahafaty azy!” Ny hafa indray dia niampanga azy nanao hoe: “Namosavinao ho faty izy!”
Taorian’ny “fanadiovana” tamin’ny volana fahatelo dia vao mainka nampahory azy ny rehetra. Notereny hanome azy ireo vola tsy tapaka, sakafo na zava-pisotro misy alkaola izy. Tao am-pony tao dia nitaraina i Wawa nahantra hoe: “Izaho no sahirana. Koa nahoana aho no tsy maintsy manome izany rehetra izany ho an’ny fianakaviam-badiko?” Na izany aza dia tsy sahy nanda izy noho ny tahotra ny fanahin’ny vadiny.
Taorian’ny roa taona ngarangidina niainana tao amin’ny horohoro dia nifarana ny fisaonan’i Wawa. Nomena fahafahana izy hanambady ny zokin’ny vadiny lahimatoa ary avy eo dia ireo zandriny lahy. Rehefa avy nanda ny fangatahana rehetra izy dia afaka niverina tany amin’ny fianakaviany tamin’ny farany. Na izany aza dia nikiry nino i Wawa fa ny vadiny maty dia nitily ny fahafahana faran’izay kely indrindra mba hanasian-dratsy azy.
Ny tena mampalahelo amin’io raharaha io dia satria tsy misy na dia iray aza amin’ireo fanahian’i Wawa no marim-pototra. Marina tokoa fa tsy misy “fanahin’ny maty” mety ho afaka hiverina hanisy ratsy an’ireo olon-tiany. Mampahafantatra antsika koa aza ny Baiboly fa “midina any amin’ny mangingina” ny maty. Raha ny tena izy, ny maty “tsy mba mahalala na inona na inona (...). Na ny fitiavany, na ny fahalalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela”. — Salamo 115:17; Mpitoriteny 9:5, 6.
Soa ihany fa takatr’i Wawa izany rehetra izany hatramin’izao. Fantany ankehitriny fa ny tahotra nankarary izay tsapany dia tsy azo porofoina, feno finoanoampoana ary tsy marim-pototra mihitsy. Mifanohitra amin’izany kosa fa olona an-tapitrisany maro no mbola andevon’io karazan-tahotra io. Nahoana? Inona no managadra azy ireo amin’ny finoanoampoana? Azo atao ve ny manapaka ireo gadran’ny finoanoampoana?