Afaka manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ireo fitondram-panjakana?
SAKAFO sy rano azo sotroina ampy, fitafiana Sahaza sy trano: ireo raha ny tena izy no ilaina indrindra eo amin’ny fiainana. Eran’izao tontolo izao, eo ambany fitantanana ara-toe-karena isan-karazany, dia misy olona miezaka manome fahafahampo amin’ireo zavatra ilaina tena lehibe indrindra ireo.
Mandany ny ankamaroan’ny fotoananao amin’ny fiezahana mitady ireo fananana ilaina voalohany indrindra ireo ve ianao? Manome izay enti-manana izany anao ve ny fitondram-panjakana ao amin’ny taninao? Inona no vokatra azon’ireo fitondram-panjakana teto amin’ny planeta tamin’io lafiny io?
Sakafo
“450 tapitrisa fara fahakeliny, eny, olona arivo tapitrisa aza no tsy manana izay sakafo farany kely indrindra mahavelona.”—Scientific American.
“Ny fiovaovana nihatra tamin’ny sakafo antonontonony any Etazonia, nandritra izao taonjato izao, dia nitarika onjan’ny tsy fahampian-tsakafo (...) izay mahatandindomin-doza ny fahasalamantsika raha ny momba ny zavatra tafiditra mahatonga fisondrotan’ny tosi-dra sy ny aretina raiki-tapisaka isan-karazany.”—Fanambarana natolotry ny mpitsabo, mpandinika ny sakafo sy mpahay siansa teo anatrehan’ny fampanaovan-draharahan’ny Antenimieran-doholona any Etazonia.
Rano
“Mihoatra ny antsasaky ny mponina any amin’ny tapany fahatelo amin’izao tontolo izao no tsy manana rano azo sotroina.”—Earthscan, voalaza tao amin’ny World Press Review.
“Ilay ony [Rhin, izay mahaforona ny loharano fisotro ilain’ny Eoropeana 18 tapitrisa] dia misarika ny fakon’ny olona 60 tapitrisa (...). Tamin’ny 1973, dia 55 isan-jaton’ny rano maloto teo ho eo no tsy nodiovina na tsy nodiovina tamin’ny ampahany ihany talohan’ny nanariana azy tao amin’ilay ony.”—World Health (gazetin’ny Fandaminana ara-pahasalamana maneran-tany).
“Amin’ny ampahany lehibe (ao Etazonia), ny rano mitsika any ambanin’ny tany [dia] rahonan’ny fandotoana ankapobeny noho ireo zavatra ara-simika, organika sy misy poizina.”—The New York Times.
Fitafiana sy fialofana
Eran-tany, dia olona “800 tapitrisa no tsy manam-pialofana.”—El Tiempo, Colombie.
Any amin’ny tany iray any Amerika Atsimo izay ahitana tarehin-javatra toa tsy miovaova, dia “mihoatra ny antsasaky [ny mponina] (...) no tsy manana fitafiana mendrika, miaina ao amin’ny trano bongo ary tsy ampy rano azo sotroina”.—El Espectador, Colombie.
Nahoana no maharitra lalandava ireny tsy fahampiana ireny?
Eo anatrehan’ireny mosary ireny dia manolotra fanazavana maro loha ireo fitondram-panjakana. Aoka ianao ihany no hitsara izany:
1. Heverina ho avy amin’ny tsy fahalalana amin’ny tapany lehibe indrindra no iavian’ny tsy fahampian-tsakafo. Tsy mahay sakafo araka ny tokony ho izy ny olona.
2. Raha inoana ny filazan’ny sasany, dia toa misy sakafo ampy maneran-tany, nefa arak any nolazain’ny fanangonam-baovao iray dia “ny tsy fahampian’ny fomba fitaterana fa tsy ny tsy fahampian-tsakafo no mahaforona ny anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra mahatonga ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo ao amin’ny tapany fahatelo amin’izao tontolo izao”.
3. Ny Fandaminana momba ny sakafo sy ny fambolena (O.A.A.) dia milaza fa ny fitaredretran’ny fifampiraharahana sy ny politika fiarovana no manampontsampona ny fidiran’ireo tany eo andalam-pandrosoana amin’ny varotr’ireo tany mandroso.
4. Firenena maro no mifanehatra amin’izao zavatra roa azo ifidianana izao: na mividy fiadiana, na manome ny sakafo ilain’ireo tsy manana. Ny vola lanin’izao tontolo izao isan-taona amin’ny fitaovam-piadiana dia “ho ampy hanomezana ireo zavatra tena ilaina eo amin’ny fiainana eo amin’ny tapany fahatelo amin’izao tontolo izao. hatramin’ny taona 2000 (...). Ireo fitsitsiana kely indrindra amin’ny volam-panjakana momba ny fiarovana dia hahafahana hanome rano azo sotroina—zavatra iankinan’ny aina raha izany no izy—ho an’olona 1 200 000 000. Amin’ny renivola ampiasaina mba hanaovana sy hampandehanana sambo mpanao antsitrika araka ny toetr’andro ankehitriny anankiray, dia azo atao ny manorina trano tsosotra 450 000”.—El Tiempo.
Antony iray lehibe indrindra
Miaiky angamba ianao fa ireo zava-manahirana voatonona etsy ambony dia mahatonga ho sarotra ny fanomezana fahafahampo izay tena ilain’ny olombelona. Kanefa, ireo zavatra tafiditra isan-karazany ireo dia manafina antony mbola lalina kokoa ihany: Ny fandehan-javatra iainantsika ankehitriny dia mamporisika ny olombelona rehetra ho amin’ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena manokana amin’ny heviny faran’izay feno. Araka izany, ny olona tsirairay avy dia mihevitra alohan’ny zavatra rehetra izay tombontsoany manokana. Ireo fiantohan-draharaha ara-barotra dia mandoto ny manodidina noho ny fitiavana hahazo tombony. Ny sokafy ara-tsosialy tsirairay avy dia miaro fatratra ny tombontsoany ary tsy miseho velively ny ho vonona hanaiky hanao sorona mba hamonjena ireo tsy manana. Fa raha ny amin’ireo firenena kosa dia miaro amim-pirehetana ny fiandrianany sy ny tombontsoany manokana izy ireo, tsy misy fiheverana na dia fotoana kely monja aza ireo izay mety hahita fatiantoka amin’izany.
Miharihary fa fiaraha-miasa iraisam-pirenena iray amin’ny fara tampony no tsy maintsy ilaina mba hanomezana izay zavatra tena ilain’ny olombelona rehetra. Eo amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, dia ireo faran’izay mpanonofy ihany no mihevitra fa mety hisy ny fiaraha-miasa toy izany. Araka ny marina, mitovy hevitra amin’izany ve ianao?
Misy fanafodiny ve?
Eny, misy anankiray tokoa. Nefa indro kely: avy amin’ny loharano iray tsy eken’ny maro izy io. Angamba aza ianao no ho voalohany ho gaga amin’izany.