Afaka mandresy ireny fahalemena ireny ianao
MISY zava-manahirana telo toa mihoatra noho ny hafa rehetra, manelingelina tanora sy olon-dehibe maro ankehitriny. Inona moa izy ireo? Izany dia ny fisotroana tafahoatra zavatra misy alkaola, ny fampiasana sigara sy paraky ary ny “masturbation” (fantatra kao amin’ny anarana hoe “onanisme” na “auto-érotisme”) (fikasikasihana ny faritra maha-lahy na maha-vavy mba hahazoana fahafinaretan’ny nofo).
Ireo fanao ireo dia avy amin’ny fahalemen’ny nofo ary, noho ny toerana iainantsika, dia sarotra resena indrindra izany. Ohatra, saika hatraiza hatraiza dia aseho ny dokam-barotra manintona ho amin’ny zava-pisotro misy alkaola sy ny sigara. Ireo fironana ho amin’ny fitiavana ara-nofo dia ranitin’ny antontam-boky, sarimihetsika sy fandaharana ao amin’ny televiziona manindrahindra ny faharatsiam-pitondrantena. Kanefa tsy midika velively akory izany fa tsy azo setraina ireny zava-manahirana na fahalemena ireny.
Mitondra fanampiana ho antsika Andriamanitra
Amin’io lafiny io, dia mahasoa ny hiheverana ny ohatry ny apostoly Paoly. Marina tokoa fa na dia apostoly aza izy dia niaiky fa tsy nahatratra ny fanatanterahana ny zavatra niriny hatao, fa nifanohitra tamin’izany kosa dia nanao izay tsy niriny (Romana 7:14-25). Kanefa nilaza koa izy hoe: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.” (I Korintiana 9:27). Ankoatr’izany, dia afaka niteny tamin’ireo Jiosy hafa izy hoe: “Ry rahalahy, izaho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany.”—Asan’ny apostoly 23:1; 22:3.
Amin’ny fomba ahoana no anampian’Andriamanitra antsika ‘hanisy mafy ny tenantsika ho mangana’ sy ‘hanompo amin’ny fieritreretana tsara’ raha ny amin’ireto fahalemena ireto: ny fitiavana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola, ny fampiasana sigara na paraky ary ny “masturbation”?
NY TENIN’ANDRIAMANITRA, NY BAIBOLY dia tena ilaina indrindra amin’io lafiny io. Ny famakiana tsy tapaka ary isan’andro aza ny Baiboly, indrindra fa ny Salamo, ny Ohabolana sy ny Soratra grika kristiana, dia mety ho fanampiana antsika lehibe tokoa. Eny, marina tokoa fa ‘tsy mivelona amin’ny mofo ihany ny olona, fa amin’ny fahamarinana izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’, fahamarinana izay voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Teniny, ny Soratra Masina, koa.—Matio 4:4.
Mahazo hery ara-panahy isika amin’ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky kristiana izay hanampy antsika hahatakatra azy sy hampihatra izany. Noho ireo boky ireo, dia hahazo an-tsaina tsara kokoa izay ankasitrahan’i Jehovah, Mpamorona antsika, isika. Ambonin’izany, ny Tenin’Andriamanitra dia mirakitra fitsipika marina sy ohatra natao hampiasaina ho fampitandremana, izay manampy antsika hamboly faniriana tsara. Izany dia manosika antsika ho tia sy hampihatra izay tsara sy marina, sady hankahala, eny, hihevitra ho maharikoriko, izay ratsy na tsinontsinona.—Salamo 97:10; Romana 12:9.
NY VAVAKA dia hitondra ho antsika fanohanana lehibe koa. Ireo kristiana dia nanaporofo imbetsaka fa tena nahasoa azy ireo tokoa ny vavaka mba handreseny ny fahalemeny. Toy izany no nitranga tamin’ny vehivavy kristiana anankiray izay nahita fahasahiranana be tamin’ny fijanonana tamin’ny sigara. Rehefa avy nihaino lahateny araka ny Baiboly tsara tokoa natokana ho amin’ny vavaka izy dia nody tany aminy ary, tamin-kafanam-po, dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hanampy azy handresy io fahalemena io. Hatramin’izay dia tsy nahita intsony io zava-manahirana io izy (Filipiana 4:6, 7). Rehefa mangataka amin’Andriamanitra amim-pahatsorana tanteraka isika mba hamelany antsika noho ireo fandikana fitsipika nataontsika tamin’ny lafiny iray, dia mahatsiaro fanamaivanana, izany dia manampy antsika hanao fiaingana vaovao amin’ny ady ataontsika.
NY FANAHY MASIN’ANDRIAMANITRA, ny heriny miasa, dia hanohana antsika koa. Hahazo izany isika raha mivavaka amin’Andriamanitra mba hanomezana antsika izany. Nanambara i Jesosy hoe: “Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” Mahery io fanahy masina io (Lioka 11:13; Zakaria 4:6). Raha manaiky hotarihiny isika, dia hanohana antsika izy, satria ny fifehezan-tena, izay ilaina indrindra mba handresena ireny zava-manahirana raikitampisaka ireny, dia anisan’ny vokatry ny fanahy.—Galatiana 5:22, 23.
IREO KRISTIANA MATOTRA, izy ireo koa dia afaka manolotra tanana manampy. Marina indrindra izany raha ny amin’ireo manana toe-panahy ilaina, tahaka ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. Raha mamboraka ny ao am-pontsika amin’ny loholona iray isika, dia hahamora be dia be ny adintsika izany. Kanefa misy hafa koa afaka mitondra ny fanampiany. Araka izany, ny “Vehivavy anti-panahy” dia afaka manampy ireo tanora kokoa (Titosy 2:3-5). Ohatra, ny vehivavy mpanampy ny mpitsabo iray tsy miasa intsony, izay nifoka sigara betsaka nandritra ny androm-piainany manontolo dia vonona ny hijanona mba hahafahany hahafeno ireo fepetra takina mba hanaovana batisa. Nametra andro iray àry izy ary nilaza ny fanapahan-keviny tamin’ireo kristiana sasany izay anisan’ny namany akaiky. Isan’andro, ny anankiray amin’ireo olona mpino ireo dia nandefa telefaonina ho azy na nitsidika azy mba hanohanana azy ara-tsaina. Ho vokatr’izany, tamin’ny faran’ny herinandro, dia resiny tanteraka ny filàny sigara.
Nanamarika fomba efatra àry isika mba hahitana fanampiana: 1) mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra ary koa ireo boky kristiana. 2) maharitra amin’ny fivavahana, 3) manaiky hotarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra ary 4) mandray ny fanampian’ireo kristiana matotra. Tamin’ny fanaovana izany, dia olona maro no nahazo fanohanana tamin’ny ady nataony mba handreseny ny fahalemeny. Na dia izany aza, ny sasantsasany dia nananosarotra bebe kokoa tamin’ny fandresena ireo kilemany. Misy loharano hafa azon’izy ireo anovozana ny fanampiana ilaina ve?
Nahoana izy ireo no sahirana loatra?
Nahoana ny sasany no sahirana kokoa noho ny hafa amin’ny fandresena ireo fahalemeny? Tsy isalasalana f any tsy fahamasahana ara-panahy dia mahaforona zavatra tafiditra tsy azo atao tsirambina. Na iza na iza tsy mampiasa ireo fomba voatanisa etsy ambony na tsy manao izany afa-tsy vonjy tavan’andro dia hiharihary fa ho sahirana kokoa amin’ny fialana amin’ireo fahazaran-dratsiny.
Ny fandovan-toetra koa dia anisan’ny zavatra tafiditra. Ny sasany toa nandova ireo fahalemen’ny ray aman-dreniny, eny, ny an’ireo raibe aman-drenibeny aza, tahaka ny hoe mety ho teraka mora azon’ny aretina toy ny “diabète”. Araka ny miseho àry, amin’io lafiny io, dia “ny ray no mihinana voaloboka marikivy, ka ny nifin’ny zanany no madilo.”—Ezekiela 18:2.
Ny zavatra rehetra dia miankina koa amin’ny famerimberenana matetika sy ny faniriana mihoapampana nanaranampo tamin’ny fitondrantena mampiahiahy. Raha ny marina, io raharaha io dia misy akony lehibe eo amin’ny ambaratongam-pilàna foana naterak’io fahazarana io. Araka izany, izay tsy mifoka afa-tsy antsasaky ny fonosana sigara iray isan’andro dia toa tsy ho sahirana kokoa rehefa mijanona noho ny mpifoka zatra efa mandany telo fonosana isan’andro.
Ny manodidina antsika koa dia mandray anjara. Ohatra, mety haniry ny hijanona tsy hifoka ny vehivavy anankiray, nefa ny vadiny tsy ny zanany zatovo dia manaram-po amin’ny sigara daholo. Amin’io tarehin-javatra io, dia sahirana kokoa izy hijanona amin’io fanao io tsy toy ny vehivavy iray izay tsy mampiasa sigara ny fianakaviany. Tahaka izany koa, raha talohan’ny nahazoany fahalalana ny Soratra Masina ka zatra ny nanadonto ny sainy tamin’ny eritreritra maloto ny olona iray dia sarotra aminy kokoa ny hankato an’ilay baiko voarakitra ao amin’ny Filipiana 4:8, soratra izay mandidy antsika mba hampitodika ny saintsika ho amin’ny eritreritra mendri-kaja. Vao mainka ho marina izany raha tsy maintsy miaritra resaka tsy mendrika izy any am-piasany.
Ahoana no handresena ny fisotroana be loatra zava-mahamamo?
Inona koa no azon’izay tao mizaka fahalemena saika tsy hay resena atao amin’io lafiny io? Misy ny lalana atao hoe “somatique” (araka ny vatana). Izany dia toy ny fotopoto-pitsipika “psychosomatique”(mahakasika ny vatana sy ny saina) fa mitsimbadika. Io fotopoto-pitsipika io dia mitaky tokoa ny amin’ny fanakambanana ny vatana sy ny saina ho iray, ary miainga avy amin’izany, fa ny saina sy ny fientanam-po (ny psyché) dia misy vokany eo amin’ny vatana (ny soma). Kanefa dia marina koa ny mifamadika amin’izany; ny toetry ny vatana dia misy vokany eo amin’ny saina. Izany, matetika tokoa, no antony mahatonga ireo olona voan’ny homamiadana ho tratry ny fahaketrahana ara-tsaina koa. Noho izany dia “diéteticiens” (mpandinika momba ny ara-tsakafo) sasantsasany no manohana ny hevitra fa amin’ny fanatsarana ny fahasalamany ara-batana noho ny sakafo ara-pahasalamana tsara, dia ho ampy fitaovana kokoa ilay marary mba handreseny ny filàny alkaola.
Nandritra ny fanandramana iray dia nisy voalavo nomena rano madio tetsy andaniny ary rano miharo alkaola tetsy ankilany. Ny voalavo sasany dia nigoka ilay rano nisy alkaola, ny hafa tsy nisotro afa-tsy kely foana ary ny anankiray tamin’izy ireo aza dia tsy nikasika izany mihitsy. Kanefa rehefa nampanaovina fandaharan-tsakafo be otrikaina (vitamines) sy sira mineraly (sels minéraux) indrindra ny ankamaroan’ireo voalavo dia nanjary tsy nisotro rano misy alkaola firy. Mifanohitra amin’izany kosa, rehefa nomena sakafo mahatonga tsy fahampiana lehibe izy ireo dia nanjary nisotro be dia be ny voalavo rehetra. Ireo mpanao fanandramana izay ahitana ny sasany amin’ireo anarana malaza eo amin’ny fikarohana ara-pitsaboana, dia nanatsoaka hevitra avy amin’izany fa misy fifandraisana miharihary amin’ny mety hahatongavana ho fatra-pitia zavatra misy alkaola sy ny sakafo tsy zarizary. Nanao famaranan-kevitra koa izy ireo fa ny fahasamihafana araka ny “génétiques” (fandovan-toetra) dia nanazava ny hoe nisotroan’ireo voalavo rano misy alkaola tamin’ny fatra miovaova tokoa.
Ny mpikambana sasany ao amin’ny antokon’ny mpitsabo dia nandray soa tamin’ireo fahitan-javatra ireo ary nahazo vokatra tsara tamin’ireo tia zava-pisotro misy alkaola. Kanefa, araka ny nosoritan’ireny mpitsabo ireny, mba handairan’io fitsaboana ara-tsakafo io, dia tokony hahatsiaro amim-pahatsorana faniriana ny handresy ny fahazaran-dratsiny ilay marary, satria ho fahadisoan-kevitra ny fodiana tsy mahalala ny lafiny ara-pitondrantena amin’io zava-manahirana io. Tsy miray hevitra amin’ireo izay ta-hampino antsika àry izy ireo fa zava-manahirana ara-pitsaboana ranofotsiny ny fitiavana zava-pisotro misy alkaola. Tsy hadinon’izy ireo koa fa ireo lasa tia zava-pisotro misy alkaola dia toa nanana ny anjara fahadisoany na tsirambina, na dia nanana anjara asa nisy vokany aza ireo zavatra tafiditra momba ny fandovan-toetra sy ny sakafo tsy zarizary.
Ireo izay maniry hanana fiainana feno fitiavam-pivavahana dia miahy voalohany indrindra ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fanaranampo amin’ny fisotro misy alkaola. Ny Teniny masina dia mampiseho amintsika tsy misy fisalasalana kely akory fa ireo izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tokony hanary ny fisotroana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola. (Ohabolana 23:29-35; I Korintiana 6:9, 10). Io tarehin-javatra io dia manome ho azy ireo antony tsy manam-paharoa mba handresena io karazana fahalemena io.
Ahoana no hanariana ny fampiasana sigara na paraky
Ny mpitsabo iray nampiasa sigara dia nanandrana imbetsaka niala tamin’io fanao io. Kanefa tsy afaka tamin’izany izy talohan’ny nanapahany hevitra ho tonga kristiana. Taminy dia tsy zavatra mora akory ny niala tamin’ny fifohana, nefa tsy dia hoe sarotra be nanao ahoana koa akory izany (II Korintiana 7:1). Ny rahalahiny izay mpitsabo ihany koa dia tsy maintsy nisetra io zava-manahirana io. Kanefa satria izy tena mpifoka zatra ela, dia nitaky fiezahana be taminy izany. Na dia nahomby aza izy tamin’ny farany dia niaiky fa ny famelana io fanao io dia saika nitarika azy ho amin’ny famonoan-tena.
Ny mpandinika momba ny sakafo sasany dia manamafy fa ny sakafo tsara dia afaka manampy olona iray hiala amin’ny fampiasana sigara. Araka ny filazan’izy ireo, ireo mpifoka dia matetika no voan’ny fikorontanan’ny ozatra sy ny lalan-dra, ary koa ny fahatavezana, ka raha mitady ny fanafodin’ireo zava-manahirana ireo izy dia manana fahafahana kokoa ny hiala amin’ny fahazaran-dratsiny.
Ny fitsaboana iray hafa “somatique” (ara-batana) sy miandalana dia ny fifohana sigara miaraka amin’ny fanatantavanana manala 25 isan-jaton’ny “nicotine” aloha ilay mpifoka. Avy eo, mandritra ny roa herinandro dia mandray iray hafa izay mitana ny 50 isan-jato izy. Ny manaraka koa dia hanala ny 75 isan-jato, ary ny farany dia ny 90 isan-jato. Lazaina fa aorian’ireo dingana ireo dia tsy tokony hananosarotra mihitsy ilay mpifoka amin’ny fialana tanteraka amin’ny fifohana.
Ahoana no handresena ny “masturbation”
Ny zava-manahirana hafa iray manelingelina olona maro, ary indrindra ny tanora, dia ny “masturbation”, na raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ny “onanisme” na “auto-érotisme” (fitadiavana samirery fahafinaretana amin’ny fampiasana ny faritra maha-lahy na maha-vavy). Marina tsy manonona mivantana ny amin’io fanao io ny Baiboly. Kanefa satria mifamatotra amin’ny nofinofy momba ny maha-lahy na maha-vavy amin’ny ankapobeny ny “masturbation”, dia tsy isalasalana fa raran’ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly rehetra izay manameloka io karazana eritreritra sy fanao io. Vakio, ohatra, Romana 13:14; Galatiana 5:19, 24; Efesiana 5:3-5; I Tesaloniana 4:3-4; I Petera 2:11.
Tsy mihevitra ny haminavina ny loza mety hoentin’ny “masturbation” eo amin’ny vatana isika, raharaha iray sady tena mahatonga fiadian-kevitra. Kanefa mahaliana ny manamarika fa Alexis Carrel, “biologiste” malaza nahazo ny loka Nobel dia nanambara izao manaraka izao tao amin’ny bokiny hoe “L’homme, cet inconnu”: “Fantatra tsara fa ny fanaranampo tafahoatra amin’ny momba ny lahy sy ny vavy dia manembantsembana ny asa ara-tsaina. Araka izany, ny fifehezan-tena dia tena ilaina ho an’izay maniry handray soa feno amin’ny fahaizany ara-tsaina. Fomba fanao “somatique” (ara-batana) inona no azo andramana?
Ireo izay mampiasa matetika ny faritra maha-lahy sy maha-vavy hahitana fahafinaretana dia matetika no manana toetra taitaitra ary voan’ny tsy fahitan-tory. Raha afaka manatsara ny fahasalamany ara-batana izy ireo, ny fahatonian-tsainy sy ny torimasony, izany dia hanampy azy ireo koa hifehy tena amin’io lafiny io.
Ny fahaiza-mandanjalanja amin’ny lafin’ny fihinanana sy ny fisotroana koa dia mety tena hahasoa. Eo ambanin’ny lohateny hoe “Anaphrodisiaques”, ny “Encyclopédie britannique” (fanontana tamin’ny 1959) dia manambara hoe: “Zava-dehibe ny famelana ireo sakafo be hena sy zavatra masiantsiaka, ary indrindra ny zava-pisotro misy alkaola.” Mety tsy hitovy hevitra amin’io mihitsy ny sasany. Kanefa na inona na inona fanaporofoan-kevitra aseho avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia azo atao ny mahita fanampiana amin’ny fiezahana mijery ilay zava-manahirana amin’ny lalana “somatique” (ara-batana).
Mifikira amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly
Ankehitriny, tsy mbola nisy toy izany mihitsy, dia sarotra amin’ny olombelona ny miaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika mazava voalaza ao amin’ny Baiboly. Ny fandovan-toetra, ny fitaizana sy ny toerana dia samy zavatra tafiditra marina tokoa. Aoka tsy hohadinointsika koa fa Satana Devoly sy ny demoniany dia miasa mafy amin’ny fanimbana ny olombelona (Apokalypsy 12:12). Kanefa, noho ny fanohanan’Andriamanitra sy ny fifikirana amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny manohitra amim-pandresena an’ilay Fahavalo.—Jakoba 4:7.
Ireo fitsaboana “somatiques” (ara-batana) dia niharihary indraindray fa nahasoa an’ireo izay niady tamin’ny fanaranampo amin’ny zava-pisotro misy alkaola, ny fampiasana sigara na paraky sy ny “masturbation”. Kanefa ireo fanafody lehibe indrindra dia tsy inona fa ara-panahy ihany. Alohan’ny zavatra rehetra aloha dia tsy maintsy mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky kristiana, maharitra amin’ny fivavahana, manaiky hotarihin’ny fanahy masin’i Jehovah ary mandray soa amin’ny fanampiana azon’ireo kristiana matotra atolotra antsika. Noho ny fanampiana toy izany dia mety ho azo atao tokoa ny mandresy ireo fahalemena mampahory ireo.
[Efajoro, pejy 11]
Eo am-piadiana ve ianao?
Inona no hatao raha takatrao fa ilainao ny mandresy ny fitiavana zava-pisotro misy alkaola, ny fampiasana sigara na paraky na ny “masturbation”? Jereo raha azonao atao ny manararaotra tsara kokoa ny fanampian’Andriamanitra, ny iray na ny maromaro amin’ireto fomba manaraka ireto:
1. Vako tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra mba hanovozana hery avy ao.
2. Mivavaha amin’Andriamanitra isan’andro mba hahazoana ny fampaherezana sy fanohanana ilaina eo anilany.
3. Angataho aminy ny fanahiny masina, ny heriny miasa.
4. Mandraisa soa amin’ny fanampiana atolotr’ireo kristiana matotra.